Miisa 19 ireo mpitarika English Club ao Fort Dauphin manaraka fiofanana iarahana amin’ny amerikanina. Miompana amin’ny teknika fanentanana sy fampandehanana fikambanana ny izany. Ampiasaina ireo fitaovam-pampianarana sy raki-pahalalana novolavolaina. Tanjona ny hananganana vondrona matanjaka, hanomezana tosika ireo mpitarika. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ity herinandro ity ny famaritana ny tahan’ny karaman’ireo […]
Mois : mai 2025
FJKM Ivato Seranana: 20 taona ny fiaraha-miasan’ny mpitandrina sy ny fiangonana
Mankalaza ny faha-20 taona niarahany niasa tamin’ny fiangonana FJKM Ivato Seranana Vavahadin’ny Lanitra ny mpitandrina Rasoloarijao Jean. Hotanterahina rahampitso alahady izany. Tao anatin’ny 20 taona niarahana niasa, zava-dehibe ny namoahana mpitandrina 6, izay zanaky ny fiangonana ary anisan’ny reharehan’ny fijoroan’ny fiangonana. Niitatra ny ambaindain’ny sekoly FJKM Fanovozantsoa izay an’ny fiangonana […]
Taranja Jiu Jitsu: Kely nefa sangany i Enoka sy Itiela
Anisan’ny zandriny indrindra amin’ny mpifaninana ara-panatanjahantena Jiu JiTsu, nandritra ny “Open Africa 2025 Bresilien”, i Enoka sy sy Itiela, teratany malagasy. Lalao natao tany Maorisy, ny faramparan’ny volana avrily teo. 10 taona i Mazas Aintsara Enoka, tempana “grise”, sokajy latsaky ny 27 kg. Anisan’ny tompondakan’i Afrika zandriny indrindra tamin’ity fifaninanana […]
Fahasalamana: Lasibatry ny homamiadana ny ankizy
Mitondra fanazavana ny avy ao amin’ny hopitaly CU JRA mahakasika ny homamiadana mpahazo ny ankizy amin’izao fotoana. Miha mahazo vahana izany tato ho ato, raha ny fanamarihan’izy ireo. Ao amin’ny sampandraharaha misahana ny homamiadan’ny ankizy, ao amin’ny CHU JRA, no mitsabo manokana ny zaza sy ny ankizy tratran’ny aretina homamiadana. […]
Loharanom-bola vaovao : Zava-dehibe ny fanetsehana ny sehatra tsy miankina
Manana anjara biriky amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana sy ny fanaovam-baksiny ny firaisamonim-pirenena. Vahaolana naroson’izy ireo, hahazoana loharanom-bola fanampiny hividianana vaksiny, ny fitadiavana hetra vaovao hampiakarana ny anjaran’i Madagasikara. Satria, efa misy lalany daholo ny sora-bola voafaritra anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Zava-dehibe koa ny fanetsehana ny sehatra tsy miankina. […]




