Tonga maka traikefa eto amintsika mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny firenena Tsadianina. Amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Fiarovana sivily (DGPC), notarihin’ny tale jeneraliny, Zenab Mahamat Adoum, sy ny mpanolotsaina teknika, ny Lt Colonel Gérard RE, ary ireo mpiara-miasa aminy no nanatanterahina izany. Mbola vao roa taona […]
Mois : mai 2025
Fiangonana Rhefi : Hankalaza ny faha-20 taona niorenany
Hankalaza ny jobily faha-20 taona niorenany ny fiangonana Rhefi, izay fiangonana zandriny voasokajy ao anatin’ny Association culturelle. « Hotanterahina amin’ny alakamisy ho avy izao ny fanamarihana manerana an’i Madagasikara fa hisy kosa ny fotoan-dehibe hotronin’ny fiangonana mijoro eto Antananarivo sy ny manodidina, eny Androndrakely », hoy ny filohan’ny fiangonana eto Madagasikara sady […]
Vokatry ny hetsika natao : Zaza 400 000 eo sisa tsy nisitraka fatram-baksiny voalohany
Taorian’ny hetsika faobe manerana ny Nosy, nihena ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny mihitsy (zero dose). Tao anatin’ny 12 volana nanaovana fanaraha-maso, tsy nisy tranga vaovao nateraky ny tsimokaretina polio intsony hita eto Madagasikara. «Raha nahatratra 1 200 000 ny isan’ ny zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy na daozy iray aza, […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafiditra ao anatin’ny firenena tsara tsidihina i Madagasikara, araka ny lisitra navoakan’ny gazety boky Wanderlust Travel Magazine. Maherin’ny 250 ny tetikasa notsarain’ny mpitsara manam-pahaizana amin’ ny fizahantany maharitra, ka anisan’ireo firenena 7 aty Afrika i Madagasikara. Ny tetikasa Kivalo Soa Honko no naroson’ny ONTM, miaraka amin’ny WWF sy ny Miarakap, […]
IECD: Natsangana ny vovonana Tambatra
Nampahafantarina ny 23 mey teo ny vovonana Tambatra, ao amin’ny Ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD) eny Ambatoroka. Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Promes, manohana ny mpianatra manana bakalorea, sahirana amin’ny fianarana ambony ataony sy ny fianarana arakasa. Tafahaona nandritra io fotoana io, ny solontenan’ny orinasa eto Analamanga sy […]




