Mois : juin 2025

Tafakatra 17 no maty: voamarina ny fisian’ny poizina mahery vaika

Namoaka ny valin’ny fanadihadiana voalohany tamin’ny fitsirihana ireo ambin-tsakafo ny avy amin’ny Sampana mo­mba ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, omaly. Fantatra tamin’izany, fa fanampoizinana ara-tsakafo ary poizina mahery vaika ny antony nahatonga ny fahafatesan’olona maro nandritra ny fety natao teny amin’ny trano fanaovana lanonana […]

Fampandrosoana eny ifotony: Hamondrona ny heriny ny zanak’i Mandrosoa

Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony Ambatofotsy ny Zanak’i Mandrosoa (Zanama), ny alahady 22 jona izao. Hetsika natao hamondronana ny hery ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina Mandrosoa, distrikan’Andramasina izany. “Mitana andraikitra sy asa amin’ny sehatra maro eo anivon’ny fitondram-panjakana sy amin’ny sehatra tsy miankina ireo avara-pianarana sy manampahaizana zanaky ny kaominina […]

Paikady fampandrosoana : Hazakazaka arahin-tosika amin’ny lafiny rehetra ny ao Toamasina

Ambetitenin’ny Filoham-pirenena ny tsy tokony hisian’ny faritra, disitrika ary kaominina ho hadino sy hilatsaka aoriana, eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Raha mandroso miaraka ireo rehetra ireo, handroso tokoa i Madaga­si­kara. Fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny izany. Nametraka fifaninanana masina rahateo ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, ny hisian’ny tanàna madio izay hifarana hatramin’ny 18 jona […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera, omaly, nodimandry Rasoanaivo Kael, zanak’i Titi Rasoanaivo, Malagasy mpanazatra efa nitondra ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Barea teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana. Hotontosaina ao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport sy ao amin’ny Kianja […]

Federasionina malagasin’ny taekwondo : Filoha lefitra Rakotomanana Franck Tiana

Nanatanteraka hetsika fanomezana diplaoma ho an’ny taranja taekwondo WT, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo, ny Federasionina malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Araka ny fanadihadiana natao, efa nisy ny fanolorana ny birao vaovao teny an-toerana, ary fantatra taorian’io fa voatendry ho tomponandraikitra lefitra hitantana ny FMTKD, Rakoto­manana Franck Tiana, filohan’ny federasionina teo […]