Mois : juin 2025

fanaovam-bakisiny : Tafatsangana ny vondron’ny parlemantera

Taorian’ny fivoriana tany Istambul, ny avrily lasa teo, niarahana tamin’ny firenena valo mbola ampian’ny Gavi amin’ny fividianana vaksiny, nisy ny Alliance inter-parlemantaire natsangana. Nentina aty amin’ny firenena tsirairay ny zavatra tapaka tamin’izany. Tafatsangana taorian’ny atrikasa teny Ambatofo­tsy, omaly, ny Coalition parlemantaire pour la vaccination. Ahitana ireo vaomiera eny anivon’ny Antenimieram­pi­renena […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina ny 20 sy 21 jona ho avy izao, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny « salon biolojika”, andiany fahefatra. Hetsika hanandratana avo ny vokatra eto an-toerana, bio, sy hanentanana ny tsirairay hanaja ny tontolo iainana. Feno ny fandaharam-potoana mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika. Hisy ny fampirantiana sy atrikasa ary […]

Fanjifana: Tafakatra 4 200 Ar ny kilaon’ny lafarinina

Tao anatin’ny herinandro, niakatra ho 4 200Ar ny kilaon’ ny lafarinina eny an-tsena, raha mbola novidiana 3 200 Ar teo aloha. “Nahitam-piakarana manodidina ny 800Ar ka hatramin’ny 1 000Ar”, hoy Rakotondrabe, mpivarotra eny Ambondrona. « Mihena ny mpanjifa. Ireo mpivarotra mofo, mpanao mofomamy ary ireo mpanao tsena kely sisa no mividy eto aminay », raha […]

AFD: Namatsy vola hatramin’ ny 13,7 miliara euros

Tafakatra hatrany amin’ny 13,7 miliara euros ny fama­tsiam-bola nataon’ny Agence française de développement (AFD), ny taona 2024. Maherin’ny 1 250 ireo tetikasa nisitraka izany ho an’ny tombontsoan’ny mponina sahirana sy hanohanana ireo tetikasam-pampandrosoana. « 10 taona taorian’ny fankatoavana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) sy ny Accord de Paris dia faly aho milaza […]

Banky iraisam-pirenena: Mitotongana ny toekarena maneran-tany

Mietry tanteraka ny toekarena maneran-tany noho ny fifanolanana ara-barotra sy ny zava-misy amin’izao fotoana. Mihena ny fampiasam-bola, midangana ny vidim-piainana. Heverin’ny Banky iraisam-pirenena fa hietry ny toekarena maneran-tany mandritra ity taona ity noho ny fifanolanana ara-barotra sy ny zava-misy ara-jeopolitika. Voa­laza ao anatin’ny tatitra nataony farany fa hidina hatrany amin’ […]