Manoloana ny hamafin’ny fiainana, ny rarintsaina. Tena ilain’ny ray aman-dreny ny mizara ny vesatry ny fo sy saina amin’ireo olona natao hihaino sy hitondra vahaolana amin’ izany. Tsy tokony hahamenatra na hampiampanga tena ho tsy mahavita miatrika fiainana raha manatona ireny olona ireny fa natao hanampy betsaka amin’ny fahaizana miatrika […]
Mois : juin 2025
Krizin’ny adolantsento: Mila fanabeazana am-pahendrena sy am-pitiavana nefa manaja fitsipika
Tena sarotra ny fitaizana tanora amin’izao fotoana. Maro ireo ray aman-dreny velon-taraina fa tsy mahafehy ny zanany na valivalian’ny zanany ao anatin’ny taonan’ny fahatanorana. Mitondra fanazavana sy toromarika Rakotonjafiniarivo Zo, matihanina amin’ny fanabeazana ny adolantsento sy ny fanohanana ny vehivavy donam-pahoriana. Maro ny antony mahatonga ny tanora ho be famaliana. […]
Fanabeazana sy kolontsaina: Tokony hanana angon-tahiry ny isan-tokantrano
Saika manana olana avokoa ny ankamaroan’ireo toerana natao hitahirizana sy mirakitra ny tantara, kolontsaina, taratasim-panjakana fahiny, tahirin-tsary fahizay, sns, eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny arsiva. Anisan’ny vahaolana hoenti-miatrika ireo ny tokony hananan’ ny isan-tokantrano ny tahiriny manokana (milaza ny momba ny tetiharana, […]
TARATRY ny KANTO
« Ilo sy Tsiky », antsan-tononkalo hotontosaina ao amin’ny kolejy SFX Ambatomena Fianarantsoa, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hizara ny sanganasany mandritra izany i Hasi-Noro, poeta mpikambana amin’ny Faribolana Sandratra Fianarantsoa. Havoaka mandritra izany ihany koa ny boky mirakitra ireo asa sorany. Aorian’izay, hotontosaina anio ny dingana famaranana an’ilay fifaninanana tononkalo […]
« Festival Fanilo »: Ho fanilon’ny kolontsaina eto Madagasikara
Hetsika ara-kolontsaina vaovao, saingy manana tanjona lavitra ezaka. Hampiakatra ny kolontsaina, hanokatra sy hampivelatra izany no kasain’ny « Festival Fanilo ». «Fetin’ny Mozika », hanomboka ny 21 jona ka hifarana mandritra ny Fetin’ny Fahaleovantena, ny 26 jona. Misy antony lehibe izany, ho an’ny andiany voalohany amin’ny « Festival Fanilo », izay hotontosaina eny amin’ny […]




