Mois : juin 2025

TSELATRA

Zazakely iray voatsatoka tamin’ny hety napetraka tamin’ny sisin-dalana, teny Ambohimalaza, omaly. Nahita sy nitondra azy tany amin’ny CSB Ambohimalaza ny raim-pianakaviana sendra nandalo. Nodidina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy avy eo. Saika hovonoina ho faty io zaza io ka notsatohana tamin’ny hety. Lasa nitsoaka ilay nahavanon-doza ary navelany teo ilay […]

Traktera nahafaty olona : Matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpamily mpanampy

Ain’olona miisa roa indray nafoy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambo­divoanjo, kaominina ambanivohitra Tsarajomoka, distrikan’ i Mandritsara, afakomaly. Ni­tatitra vokatra avy any ambanivohitra ny traktera iray. Ni­fanena tamin’ny mpanadalo. Voafaokan’ilay traktera tampoka ity farany. Notetezin’ny kodiarana aoriana ka namoy ny ainy. Tsy nijanona anefa ny mpamily io fitaovam-pitate­rana […]

Fanafihana : Lavon’ny balan’ny zandary i Sababaka

Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Ambohitoaka, Ambalavy, omaly maraina tamin’ny 3 ora, ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe : Sababaka. Tratra tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra an’i Bekitoto, kao­minina Ambohitoaka, izy. Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary fa misy dahalo mampihorohoro ny mponina […]

Kaominina Ambohimanambola : Efa-dahy nahatrarana vola sandoka 2 tapitrisa Ar

Hiakatra fampanoavana anio ireo olona efatra nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao Ambohimanambola. Lehilahy efatra nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola, fokontany Ambohipeno, ny alarobia 11 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary momba ny fisiana olona mitety tsena manaparitaka vola sandoka. “Mody mividy zavatra amin’ny tsenakely ireo telo lahy”, hoy […]