Mois : juin 2025

Nanasaraka olona niady: Zandary maty voakapa famaky

Zandary mpiana-draharaha iray no maty voakapa famaky, ny alin’ny fetim-pirenena, tao Fenoarivobe. Nanasaraka olona niady tamin’ny fety izy. Olona efatra karohina. Nokapain’ny vatan-dehilahy miisa efatra tamin’ny famaky, voa mafy teo amin’ny lohany, ka tsy tana ny ain’ny zandary mpiana-draharaha iray tao amin’ny kaominina Fenoa­rivobe, faritra Bongolava, ny alin’ny alakamisy 26 […]