Miahy ankizy 116, amin’izao fotoana izao, ny Sejafa, izay ahitana zaza varira 67 ho fiarovana ny ain’izy ireo. Manao antso ho an’ny fanjakana sy ny tsara sitrapo ny mpitantana ny sekoly. Satria, tojo olana amin’ny fotodrafitrasa andraisana an-tanana (kilasy mandry) araka ny tokony ho izy sy ny sakafon’ny kilonga beazina […]
Mois : juin 2025
“Les nuits atypiques”: nisongadina ny tarika Hazolahy
Tsy vaovao amin’ny mozika malagasy ny « Festival Les nuits atypiques ». Hetsika misokatra ho an’ny mozikan’izao tontolo izao, izay mitety tanàna any Sud-Gironde, France. Efa nanomboka ny 4 jona izany, saingy ny 22 jona teo no anjaran’ny mozika malagasy, izay nosoloan’ny tarika Hazolahy tena. Tsy diso mihitsy ny safidin’ny kaomity mpikarakara, […]
IFM Analakely: homena laka ny haiady nentim-paharazana
Mety ho zava-baovao, na ho an’ny teratany malagasy aza… Misy sady maro mantsy ireo karazan-dalao sy fanatanjahantena fahiny no miha tsy hita intsony, na niova endrika fa tsy nitohy isan-taranaka. Misy kosa anefa ireo mbola misy manohy, ka miaina sy mivoatra manaraka ny vanim-potoana. Hasongana mandritra ny hetsika “Regards croisés […]
Mbola maro ny asa miandry: mila mianatra ny mpampianatra teny malagasy
Malagasy mianatra teny malagasy… Satria, tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny. Fa misy koa ny Malagasy manao tsinontsinona ny tenin-drazany fa te ho… Na eo aza ireo rehetra ireo, ilaina ny mpampianatra mahay teny malagasy. Hivalona tsy ho ela ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Fotoana nanandratana ny hasin’ny teny malagasy. Nanatanterahina […]
Novelesin-drainy tamin’ny hazo: nipotsaka ny atidohan’ilay zaza
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray namono nahafaty an-janany, tany Fenoarivo Atsinanana, omaly maraina. Zaza vao herintaona monja, maty tsy tra-drano sady nivoa-dra ny lohany vokatry ny habibiana nataon-drainy. Nentin’ny hamamoana niampy fahasarotam-piaro, novelesin-drangahy tamin’ny hazo ny lohan’io zanany io. Nipotsaka mihitsy ny atidohan’ilay lasibatra. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny […]




