Nanomboka ny alakamisy 26 jona lasa teo, tany France, ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Dingana voalohany notanterahina tao ST Gilles – Croix de Vie. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy ny amboara tamin’io rehefa nandresy ny ekipan’i Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 5, nandritra ny famaranana. Nampiaiky […]
Mois : juin 2025
Judo-Afrika: nahazo medaly volamena Razafindrakalo Natacha
Malagasy mpikatroka 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara any Pretoria mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja judo. Medaly volamena iray, volafotsy 1 ary alimo 2 no efa azon’izy ireo. Tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny judokas malagasy, Razafindrakalo Natacha, ny medaly volamena, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny […]
Asam-panjakana: nankasitrahana ny minisitera mendrika
Nisy ny loka nomena ireo minisitera mba hampiakarana ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ao aminy, nandritra ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an’ny mpiasam-panjakana tamin’ny 23 jona teo. Nahazo ny loka faharoa tamin’izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), noho ny ezaka vitan’io minisitera tarihin’ny minisitra Moustapha Marson, io. Nahatratra […]
Antso ho an’ny mpitondra afrikanina: mila ampitomboana ny vola hikarakarana ny ankizy
Ho fanamarihana ny Andro ho an’ny ankizy afrikanina, ny 16 jona lasa teo, nentanin’ny tomponandraikitry ny Unicef aty Afrika ny tomponandraikitra na olona manan-danja ao amin’ny firenena misy azy avy hanao sonia taratasy misokatra ho an’ny mpitondra aty Afrika. Votoatin’ny taratasy ny haitaky amin’ny tokony hampitomboana bebe kokoa ny sora-bola […]
Miandry fanazavana marim-pototra ny rehetra
Lafarinina, menaka, mortadelle, caca pigeon, donuts… Lasa mampatahotra ny olona vokatry ny tsy fahazoana vaovao tena marina sy marim-pototra ary fanazavana mitombina sy maharesy lahatra avy amin’ny tomponandraikitra. Niainga teto Antananarivo ny fanapoizinana ara-tsakafo, niitatra tany Toamasina sy Mahajanga ary tonga any Ambositra sy Antsirabe… Tsy hay hoe aiza indray […]




