Mois : juillet 2025

Fotoam-pialantsasatra : Fanarenana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny faha-5

Lalam-pirenena anisan’ny be mpampiasa indrindra ny RN2. Toraka izany koa ny RN5, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Mandeha ny fanarenana, toy ny miainga eto Antananarivo mankany Toamasina (RN2) sy ny Toamasina-Foulpointe-So­a­nierana Ivongo (RN5), hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Ho an’ny RN2, mirefy 101 km (PK203-PK304) ny lalana arenin’ny […]

RSE : Nankalaza ny Mandela Day ny Airtel

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy, manana andraikitra amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) koa ny Airtel. Niara-niombon’antoka ny orinasa sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena Mandela, ny zoma 18 jolay teo. Nizarana boky ny zaza tsy ampy taona, tazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora. Entina hanamafisana ny […]

Fifindra-monina sy ny toetr’andro : 3,5 tapitrisa dolara hanohanana ny eny ifotony

Miantraika amin’ny fiarahamonina ny fiovan’ny toetr’andro. Sambany maneran-tany misy tetikasa mampirindra ny ady amin’ny hetraketraky ny toetr’andro sy mametraka ny fandriampahalemana. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany Am­bovombe, faritra An­droy, ny 17 jolay teo, ny tetikasa lehibe iray mikendry ny hampihenana ny fifandirana sy ny disadisa vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Tetikasa […]

INDRAY MIJERY

Efa mandeha ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, isan-tokantrano, any amin’ny distrika Ikongo. Taorian’ny fampiofanana nomena ireo miaramila sy zatovolahy nanolo-tena hanao ny asa dia natomboka tamin’ny fanentanana mihodidina ny tanàna izany ho fahampahafantarana ny vahoaka. Haharitra herinandro ity asa ity raha ho an’ny ao amin’ny kaominina Ikongo manokana, ary tsy […]