Norombahin’ny Elgeco Plus ny Yas amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, ny AS Fanalamanga. Pao-droa ity ekipan’Analamanga ity satria efa nahazo ny anarana maha tompondaka ihany koa ry zareo. 8 taona taorian’ny nahazoan’ny Cnaps Sport ny amboara sy ny tompondaka vao nisy ekipa nanao pao-droa indray. […]
Mois : juillet 2025
Toromariky ny filohan’ny Repoblika: Hatao fanta-bahoaka ny vola homena ny atleta
Manomboka izao, havoaka ho fanta-bahoaka ny vola tohana ho an’ny federasionina misahana ny fanatanjahantena. Tafiditra amin’ny ady hamongorana ny kolikoly, voalazan’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika izany. Hisorohana ihany koa ny fanaratsiana ny fitondram-panjakana ataon’ny zatra ny lalan-dririnina. Nampahafantarina imaso imaso, tetsy Ambohijatovo, birao’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, afakomaly, ny fanomezana […]
TARATRY ny KANTO
La Teinturerie Ampasanimalo, nanan-karena zavakanto ny faran’ny herinandro. Vao nigadona ny zoma hariva teo, efa nafana ny toerana, nandritra ny fampisehoana notontosain’ny tarika Driwna. Notohizana tamin’ny fiverenan’i Môta Soa an-tsehatra izany ny sabotsy alina. Niova kely, satria fampisehoana dihy “Open Mind Battle” kosa ny alahady, niarahana tamin’ny Jack’ Dad. Tetsy […]
“Tafan-gilita” – Prime 2 : Mihamafy ny fifaninanana, 25 no tafakatra
Kely dia kely ny elanelan’isa teo amin’ireo mpifaninana. Hita ho sahirana ihany ireo mpitsara ilay fifaninanana “Tafan-gilita”, nandritra ny dingana faharoa na ny Prime 2, ny asabotsy maraina teo, teny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy. Nandalo tsirairay teo anoloan’i Mbola Talenta, Tojo Guitariste, Teddy ary i Jovin ireo mpifaninana 40, samy […]
“Mega Live Yas”: Nanapoaka ny team Rwikordz
Maro ireo mpanakanto nalahatra, saingy nisongadina kokoa ireo taizan’i Davalt Rwikordz… Samy nahatsapa izany ireo mpijery tonga nanatrika ny “Mega Live Yas”, izay notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny alin’ny zoma teo. Avy hatrany dia i Parish no nanokatra ny fampisehoana, niaraka tamin’ireo hirany hain’ny mpijery rehetra. Nanaraka avy […]




