Mois : juillet 2025

Ady amin’ny fampiasana ankizy: Mitaky ny fiaraha- mientan’ny rehetra

Notanterahina tany Antsiranana ny fanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fampiasana ankizy, ny faran’ny herinandro teo. “Ady iombonana ny fampiasana ankizy ka mitaky fiaraha-mientana, firaisankina ary fiaraha-miasa avy amin’ny mpisehatra rehetra”, hoy ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa, Razakaboana Hanitra. Nosafidiana ny faritra avaratry ny Nosy […]

Fanambadiana kristianina : Namoaka boky ny VFL-FJKM Ambondrona Firaisana

Tokony homena andraikitra bebe kokoa ireo mpanomana fanambadiana, toy ny mpitandrina, amin’ny fiofanana ho an’ireo mikasa hiroso. Hanampy ny olon-droa amin’ny fiomanana mialoha ny boky novokarin’ny VFL ao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana. Nampahafantarina teny amin’ny FJKM Am­bon­drona Firaisana, ny faran’ny herinandro teo, ny boky novokarin’ny Sampana Vondrona fototra laika (VFL) […]

Taranja Échecs : Nitsangana ofisialy ny “Chess Her Way”

Fikambanana vehivavy mpankafy sy mpilalao ny taranja Échecs ny “Chess Her Way”, izay nitsangana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo. Nampahafantatra izany, teny amin’ny IFM Analakely, ireo mpikambana. Tanjona ny hanentana sy hampianatra ny Échecs mba ho fampiroboroboana ny taranja, araka ny nambaran’ny solontenan’izy ireo.Tsy mifidy fiaviana na sokajin-taona […]

Rugby: 10 taona nanabeazana ny Mang’Arts

Nakotroka ny ivon’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fileovana Mang’Arts, taranja rugby. Lanonana notanterahina tetsy Manjakaray, toerana misy ny klioba, ny sabotsy lasa teo izy ity. Nantomboka tamin’ny «carnaval» nitety ny tanàna, avy eo nitokana ny tsangambato teo amin’ny EPP Manjakaray. Notsiahivin’ny filohan’ny Mang’Arts, Herisoa Philippe Olivier (Didy), fa niainga tany […]