Andriatahina Sedera, Malagasy, no sangany tamin’ny fifaninanana fandrafetana ny logo, mari-pamantarana vaovaon’ny skoto aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ny volana marsa teo no natao ny antso ho an’ny skoto maneran-tany ho amin’ity fifaninanana ity. Nivoaka ny vokatra ka avy eto Madagasikara ny mendrika indrindra, tamin’ny alalan’Andriatahina Sedera. Nandray anjara tamin’izany ireo […]
Mois : juillet 2025
Fiofanana momba ny Programme d’études (PE) : Tsy mbola nahazo toromarika ny sekoly tsy miankina
Vokatry ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara efa lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta, tsy “programme scolaire” intsony ny anaran’ny fandaharam-pianarana eny anivon’ny sekoly fa niova ho “programme d’études” (PE) izay hanaovana andrana ho an’ny Cisco 18 amin’ny Cisco 120 manerana ny Nosy. Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera […]
TARATRY ny KANTO
Fifaninanana vakiboky ho an’ny faritra Analamanga. Notolorana mari-pankasitrahana omaly, ireo nandresy, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fifaninanana nokarakarain’ny ONG Diary Nofy izy ity, niarahany tamin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Mpianatra avy eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ireo nifaninana, ka ireo telo voalohany no hisolo tena ny faritra Analamanga mandritra ny […]
Sehatra bagasy: Miato kely ny seho, omanina ny rakikira
Ny sabotsy 12 jolay teo no nanakatona kely ny hetsika ho an’ny Sehatra Bagasy. Antony, noho ny fakan-drivotra sy fotoam-pialantsasatra eo amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Mandritra ny volana aogositra no hisy io fiatoana kely io. Na izany aza, misy hatrany ny famerenan-kira ho fanomanana ilay fandraisam-peo (rakikira) isaky […]
Randja Zanamihoatra: Nilomano tao anaty tontolo marolafy
100 taona izy, raha mbola teo. Mbola maro anefa ireo tsy fantatry ny rehetra momba ity mpanoratra marolafy ity sy ny tontolony. Misokatra ho an’ireo liana ny fampirantiana ny momba azy. Angamba izy no Malagasy mpanoratra, nahasarika mpikaroka maro indrindra… Kanefa dia mbola maro ireo zava-baovao mivoaka tsikelikely, indrindra ireo […]




