Mois : juillet 2025

“Coupe Internationale de Tanà” : Nahomby ny Klioban’ny Tekado

Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fifaninanana “Coupe internationale de Tanà”, taranja karate, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny klioban’ny Tekado. Klioba manana ny maha izy azy ary anisan’ny nasain’ny mpikarakara. Fahombiazana no azo ilazana ny vokatra azon’ireo mpikatroka nisolo tena ity klioba ity, izay nampiseho […]

Fivapova : Hanao zaikabe any Toamasina

Nanatanteraka fihaonana ho fampahafantarana ny zaikabe andiany fahefatra ny fikambanan’ny vady polisy sy polisy vavy (Fivapova), omaly, teny Anosy. Nitarika izany ny filoham-boninahitra nasionaly, Rakotoarimanana Faniry, vadin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny filoha nasionaly, Randrianirina Tombosoa Malala Priscilla. Efa mipetrapetraka ny fanomanana ny zaikabe nasionaly ary mandray an-tanana izany ireo […]

Dinika teny Iavoloha : Mijanona ho fananan’ny fanjakana ny Jirama

Nidinika teny Iavoloha, omaly, ny filoha Rajoelina Andry sy ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama. Nivoitra tamin’izany fa mijanona ho fananan’ny fanjakana ny orinasa, tsy hisy ny fandroahana mpiasa. Nitondra fanazavana ny filoha Rajoelina Andry mba hialan’ny ahiahin’ ny mpiasan’ny Jirama. Ny fanovana ny sata tsy midika ho fisintahan’ny fanjakana ao amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantarina tao Antanimena, tamin’ity herinandro ity, ireo vondrona mpanabe ray aman-dreny miisa 23 avy eto Analamanga nahavita fiofanana. Tanjona ny hanentanana ireo ray aman-dreny mahakasika ny fanabeazana ny ankizy, ny fifandraisana sy fifampiresahana ao an-tokantrano. Eo koa ny tontolon’ny ankizy amin’ny ankapobeny hisorohana ny fandikan-dalàna ataon’izy ireo sy ny fiverimberenan’izany. […]

Fitantanana ara-niomerika : Entina hanatsarana ny asam-panjakana

Notanterahina teny Anta­ninarenina ny atrikasa fandalinana sy famolavolana ireo rijantenin-dalàna momba ny fitantanana ara-niomerika ny “équivalences administratives des titres et diplômes”. Tanjona ny hanatsarana sy hanamafisana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana sy fahazoana izany. Iara­han’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa sy ny Sam­pana misahana ny fitantanana ny […]