Mois : juillet 2025

Karate-Afrika : Hanainga ny 20 jolay izao ny Malagasy

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka amin’izao fotoana izao, ny Malagasy mpikatroka hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, izay hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. Ny alahady 20 jolay izao kosa no hanainga eto an-tanindrazana, ny delegasionina malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federa­sionina ny […]

Tsipy kanetibe – «Masters 2025»: Nosoloina an’i Yves Cédrick i Tinakely

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fiadiana ny “Masters 2025”, anio talata. Vonona avokoa ireo ekipa miisa 7 hiady lohany amin’izany. Anisan’ireo hiatrika izany ny ekipa malagasy. Nanolo mpilalao anefa ny mpanazatra ka nosoloina an’i Yves Cédrick i Tianakely. Hotanterahina anio ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, eo amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Ny tsiokan’ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro, ny telo andro voalohany. Hahazo vahana izany manomboka any amin’ny fisasahan’ny herinandro. Ny fandalovan’ny rindrin-drahona any atsimon’ny Nosy kosa no hanamarika ny toetry ny andro any amin’ny faran’ny fe-potoana. Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny manerana ny Nosy mandritra ity […]

Distrikan’Ikongo : Notetezina avokoa ny kaominina saro-dalana

Kaominina Ambatofotsy, Belemoka, Maromiandra ary Ambinanitromby. Ireo indray no notetezina nanaovana fa­nentanana amin’ny ady amin’ ny tazomoka tao amin’ny distrikan’Ikongo, ny herinandro teo. Nanaovana ny hetsika ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ihany koa. Tokantrano miisa 300 ma­hery no nomena fehezan-ka­rona misy sakafo tohan’aina tamin’ireo kaominina. Niza­raina CVO ireo marefo ara-pahasalamana hampiakatra ny […]

Youth Connekt 2025 : Efa miomana amin’ny fandraisana ny MJS

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Gymnase Soa­feno Antsiranana, ny hetsika fitetezam-paritra momba ny “Youth Connekt 2025”. Efa miomana sahady amin’ny fandraisana ny fihaonambe ny tanora aty Afrika, “Youth Connekt Summit Africa”, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatan­ja­hantena (MJS), izay tarihan’i Moustapha Marson Abdulah. Marihina fa miara-misalaha amin’ny fikarakarana […]