Mois : juillet 2025

Rally TMF : Mpanamory 31 hiady lohany

Hanomboka anio, ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny familiana fiarakodia na ny Rally TMF. Fifaninanana karakarain’ny klioba Team Mika Faniry. Mpanamory 31 hiady lohany. Anisan’ny hifampitady amin’izany, ry Mathieu Andrianjafy avy amin’ny Asacm, izay hiova fiara hoentina ka amin’ity hitondra Subaru indray ny tovolahy. Ankoatra azy, eo koa […]

Coupe Internationale de Tanà : Maherin’ny 400 ny mpikatroka handray anjara

Hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Coupe Internationale de Tanà”, taranja karate. Efa tonga daholo ny vahiny nasaina ary maherin’ny 400 ny mpikatroka hifaninana. Fifaninanana iraisam-pirenena sambany ho an’ny tantaran’ny karate malagasy ity “Coupe Interna­tionale de Tanà”, hanomboka anio 11 jolay ary haharitra ha­tramin’ny 13 jolay ity. […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ny fitsarana sy ny fonja ao Ste Marie ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly. Nojerena tamin’izany ny toerana azo hanorenana fonja vaovao. Eo koa ny fanatsarana ny fepetra iasana sy ny fiarovana ny zon’ny voafonja. Tsiahivina fa niatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra tany an-toerana ny […]

MFFT sy ny tetikasa Mionjo : Hatsangana ny tohodrano mahazaka toetr’andro

Notanterahana tetsy Ano­sy, omaly, ny atrikasa fivoriana momba ny fananganana tohodranon-tany “Barrages de sable”. Fiaraha-miasan’ny mi­nisi­teran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny FDL, ny minisiteran’ny Rano, Unicef, African Sand Dam Foundation (ASDF) ary ny tetikasa Mionjo izany. Eo koa ireo manampahaizana sy ny teknisianina vahiny sy malagasy. […]

Sazy ho fakan-tahaka

  Raharaham-pitsarana be mpanaraka indrindra teto Madagasikara angamba ny mahakasika ilay mpanolana malaza, antsoina hoe Da-Willy. Nanimba zazavavikely vao enin-taona monja teny Imerintsiatosika izy tamin’ny herintaona. Nahoraka sy niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny tambajotran-tserasera izy vantany vao nirefotra ny raharaha. 24 ora taorian’ny tranga, voasambotra avy hatrany ny lehilahy. Izy no mpanolana […]