Hatao ny 25 jolay 2025 ho avy izao ao Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana «Manal’azy vita Bacc» ataon’ny Olombelo Ricky. Toerana efa nahazatra ny mpankafy maro nifandimby, nisantarana ity hetsika fanaon’ity mpanakanto ity isan-taona ny ao an-toerana, nanomboka ny taona 90. Izay tsy mbola mety afaka ao am-pon’ny taranaka maro nifandimby. […]
Mois : juillet 2025
Fialantsasatry ny mpianatra: Tsy afa-mivelatra amin’ny kolontsainy ny tanora
Miala sasatra ny mpianatra. Manao izay tiany hatao ? Raha ny tokony ho izy, tsy mifanalavitra amin’io. Saingy, maro ihany koa ny tsy afaka ataony. Iray amin’ireny ny kolontsaina sasany. Ny faniriana betsaka fa ny fanatanterahina, mbola tena sarotra. Ny hanatanteraka fialantsasatra iarahana, efa tena sarotra. Ny handeha hivoaka ny tanàna […]
Fifaninanana « Tafan-gilita »: Hampitiavana indray ilay revy gilita
Tany amin’ny fiandohan’ny taona 80 tany no tena nahazo vahana ny « revy gilita ». Nisy fotoana nihalefy, ka tiana haverina indray izay fankafizana ny gitara izay, amin’ny alalan’ny fifaninanana sy ny « Festival Tafan-gilita ». «Tonga i Ledama nibako gilita e, gilita manjabe… » Maro no mahay io hiran’ny Lôlô sy ny tariny io, […]
SOMBIM-BAOVAO
Ao anatin’ny fanomanan-tena tanteraka ny Ankoay, any Frantsa, ho fiatrehana ny Afrobasket. Lalao ara-pirahalahiana voalohany hatrehan’izy ireo ny fifandonany amin’ny ekipa ao Frantsa, i Mil-Yon, anio zoma 11 jolay. Hifandona amin’ny Team Paris kosa ny Ankoay rahampitso sabotsy 12 jolay any Frantsa ihany. Ao amin’ ny kianja Angelo Parisi no […]
FTF Tournament 2025 : Hetsika atao hampiray an’Antananarivo
Handray endrika tsy mbola nisy hatramin’izay ny tontolon’ny baolina kitra an-dRenivohitra manomboka amin’ny 17 aogositra hatramin’ny 21 septambra ho avy izao. Nambaran’ny Team FTF, omaly, fa hiroso amin’ny andiany voalohany amin’ny “Fokontany Tournament and Fiesta” izy ireo. Hetsika goavana mikendry hampivondrona ireo fokontany amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy lanonana ara-kolontsaina izany. […]




