Niverina amin’ny laoniny nanomboka omaly, ny fifamoivoizana amin’ny RN5 (PK64). Vita ny fametrahana ny tetezamby vonjimaika, Pont Bailey, eo Andranotsara, any Mahambo. Tsiahivina fa vokatry ny lanja tafahoatra nentin’ny fiarabe iray no nahatonga ny fahatapahan’ity tetezana ity. Hatomboka any Toamasina ny tetikasa ViSaina, miompana amin’ny fametrahana fototra ho an’ny tanàna […]
Mois : juillet 2025
Foara ITM-IHM: Maherin’ny 24 000 ny mpitsidika
Niavaka tsy toy ny hatramin’izay ny Foara iraisam-pirenena (ITM), andiany faha-11, sy ny ho an’ny Asa tanana (IHM), andiany faharoa, eto Madagasikara 2025 farany teo teny amin’ny CCI Ivato. Nambaran’ny tale mpanatanteraka ny Ofisim-pirenena misahana ny Fizahantany (ONTM), Barivelo Danny, fa fahombiazana tanteraka no hita, ary manamarina izany ny antontanisa. […]
Fizahantany: Voalohany i Madagasikara
Nahazo ny loka voalohany, toerana azo tsidihina ho an’ny fizahantany ara-pitsangantsanganana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, i Madagasikara, ho an’ny hetsika “World Travel Awards”, andiany faha-32. Nitazona ity toerana ity hatrany ny Nosy Maorisy, nanomboka ny taona 2019 hatramin’ny taona 2024. Anisan’ny masontsivana notakina ny lafiny fahatsaran’ny tontolo sy ny harena […]
Ambohimahasoa: Zezika 270 taonina ho an’ny kaominina 18
Toromariky ny filohan’ny Repoblika ny hanohanana ny tantsaha, nandritra ny fitsidihany ny distrika Ambohimahasoa, ny 4 jolay. Nisitraka zezika avy hatrany ny kaominina miisa 18, ho fanatanterahana izany. Tsy niandry ela! Notanterahin’ny Sekretaria misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa) avy hatrany, omaly 7 jolay, ny fizarana zezika ny tantsaha any amin’ny […]
Fanjifana solika: Manahirana ny fitadiavana gazoala eto an-dRenivohitra
Mbola misedra olana amin’ny resaka gazoala ireo Malagasy mampiasa izany eto an-dRenivohitra. Milamina tsara kosa ny fanjifana ny lasantsy, saingy tsy dia nahitana akony teo amin’ny fiainanan’izy ireo, ny fiovam-bidy. Mitaraina amin’ny fahasarotan’ny fitadiavana gazoala ireo mpanjifa eto an-dRenivohitra, raha ny fanadihadiana natao omaly. Taorian’ireny fanambarana navoakan’ny Ofisy malagasy misahana […]




