Mois : juillet 2025

FANTINA sy FINTINA

Hitohy any Sainte Marie indray ny filankevitry ny minisitra, mitety faritra. Hotanterahina ny 10 jolay izao izany, araka ny fampahafantarana nataon’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Mitohy amin’ny fanokafana ny “Festival des baleines” izany. Niatrika ny faha-50 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Kaomoro ny filohan’ny Anteni­mierampirenena, Tokely Justin, ny 6 jona teo, […]

Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana : Niofanana tany Ghana ny fitantanana trosa

Notanterahina ny herinandro teo, tany Ghana, ny atrikasa momba ny fitantanana ny trosa ho an’ireo fanjakana afrikanina ao anatin’ny teteza­mita. Nikarakara izany ny eo anivon’ny “Institut africain de développement” ao amin’ny “Groupe de la banque africaine de développement”. Tafiditra amin’ny “Spot­light” ao anatin’ny Akademia afrikanina ho an’ny fitanta­nana ny vola […]

Tsy mahazo mamindro

  Tsy vitan’ny miaritra hatsiaka fa mbola mizaka ny hirifirim-piainana Ramalagasy. Mahagaga sy mahavariana fa toy ny nantenain-kanirina indray ity no mainka mampivandravandra, ankehitriny. Toa ankatoavina avokoa ity karazana tsindry sy famotehana ankolaka na mivantana ilay vahoaka madinika ity. Tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ara-bakiteny tokoa. Raha ny zava-misy, […]

Fanatsarana fomba fiasa : Nohamoraina sy tsy ela ny fanamarinana fananan-tany

Dingana iray lehibe… Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny fari-piadidian’ny Fananan-tany, Antananarivo Renivohitra, Anosy, omaly, ny “Distributeur automatique d’information” (Dai). Vokatry ny fampiasana informatika amin’ny fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany (“certificat de situation juridique”) sy sarintany izany, izay azo ao anatin’ny minitra vitsy. […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 45 taona maty voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambatonapoaka, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tsy nahitana taratasy namantarana ny mombamomba azy teny amin’io lehilahy io. Nentina namonjy ny CHRD Arivonimamo ny vatana mangatsiakany. Lehilahy iray karohin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy. Nivadi-pitokisana izy […]