Mois : juillet 2025

VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsian-tsolika eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa hita eny amin’ny tobin-tsolika avokoa ny gazoala sy ny lasantsy. Antenaina fa hitohy izany ary hihena tsikelikely ny filaharan’ny fiara, ka hizotra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana, indrindra ny fitateram-bahoaka sy ny entana. Voasolo « béton armé » […]

Fiarovana ny ala : Teknisianina 60 vao nivoaka teny amin’ny foibe CNFTF

Tsy mbola ampy ny isan’ny teknisianin’ny ala eto amintsika. Izay no anisan’ny antom-pisian’ny foibem-piofanana. Miisa 60 ny teknisianin’ny ala nivoaka, ny 4 jolay teo, teny amin’ny Foibem-pirenena fanofanana ho teknisianin’ny ala (CNFTF) Angavokely Manjakandriana. Notokanana ihany koa ny fotodrafitrasa vaovao ho an’ny toeram-piofanana. Mizara roa ireo mpiofana. Nanaraka fiofanana mitohy […]

INDRAY MIJERY

tao . Nisy ny fanomezana fiofanana maimaimpoana ho an’ny tanora sy ny mponina ahafahan’izy ireo manana asa mahavelona ny tenany sy ny ankohonany ary manatsara ny hoaviny amin’ny fananganana tetikasa fihariana. Nisongadina manokana ny fandraisan’anjara mavitriky ny vahoaka. Fahitalavitra sinoa “Divas Hit the Road”. Voafidy ho toerana voalohany amin’ny vanim-potoana […]

Faritra Matsiatra Ambony : Mila mizaka tena ara-pihariana ny vehivavy

Nampirisihina ireo fikambanam-behivavy ao Matsiatra Ambony hanangana tetikasa fihariana ka ireo izay mitsangana ara-dalàna sy voafantina no tolorana tantsoroka hoenti-manatanteraka ny seha-pihariana nosafidiany. Miisa 17 ny fikambanana nahazo izany tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony nandritra ny fitsidihana. Fampizakan-tena ny vehivavy no tanjona. Arakaraka ny tetikasa no namaritana ny mari-bola natolotry […]

Kaominina Ambavahaditokana : Hisitraka Lycée vaovao ny mpianatra

Hisokatra amin’io taom-pianarana hoavy io ny Lycée vaovao ho an’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, raha ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Ratoetrarinanja Jean Louis. Volan’ny kaominina madiodio no hanatanterahana ny fotodrafitrasa. Hisy efitrano 6 hahafahan’ny kilonga misitraka fampianarana aorian’ny fahazoana ny diplaoma BEPC izy ity. Hanampy betsaka ny mponina ny fahavitan’ny Lycée ary […]