Mois : juillet 2025

SOMBIM-BAOVAO

Tapitra teo amin’ny fifanintsanana ny lalan’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny fifaninanana « Women’s Series Fiba 3×3 » natao tany Sumgait, ny faran’ny herinandro teo. Eo amin’ny laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara, taorian’ny faharesena indroa nisesy nihatra tamin’izy ireo nanoloana ny Grande Bretagne sy ny ekipan’ny Takasaki. Nisolo tena an’i Madagasikara, […]

Lalao CJSOI : 8 mianadahy ny eo amin’ny atletisma

Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), ny faran’ny herinandro lasa teo, fa 8 mianadahy no isan’ireo atleta handeha hiatrika ny lalaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025). Fihaonana tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, ny 2 ka hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Ramanantenasoa Solange, Nomenjanahary Harenasoa, Rakotondramaro Anjaratiana, Botouzara Fitahiana no eo […]

Elgeco Plus : Hanao lalao tsapa amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa

Miezaka ny manao fanomanantena ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ny Elgeco Plus, izay nanao pao-droa tamin’ity taona ity. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Elgeco Plus FC, omaly, mety […]

Raharaha fiaramanidina dimy : Teratany malagasy iray sy indiana iray karohina

Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo. Niainga avy any Cam­bodge ny hosoka ary tonga […]

“Chan 2024” : Mpilalao 29 hiaro ny voninahi-pirenena

Efatra andro eo sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka tsy misy mpi­lalao milaravinahitra,” Chan 2024 ». Ho­ton­tosaina any Kenya, Tanzanie ary Ou­gan­da, ny 2-30 Ao­gositra ho avy izao, izany. Efa lasa oma­ly, namonjy an’i Tan­zanie, ny Barea A’. Nanainga omaly, tetsy Ivato, hamonjy an’i Tanzanie, ny Barea de Madagascar […]