Mois : juillet 2025

Ho fanarenana ny tsenan’i Sabotsy – Antsirabe: Nanolotra vola 50 tapitrisa Ar ny Orange Madagascar

Taorian’ny fahamaizan’ny tsenan’i Sabotsy ny herinandro lasa teo, nanambara ny orinasa Orange Madagascar fa hanao hetsika sosialy hanohanana ireo mpivarotra traboina sy ny fianakaviana ary ha­nampy amin’ny fanarenana ny toeram-pivarotana. Hifa­rimbo­na amin’izany ny Oran­ge mo­ney Madagascar sy ny Oran­ge solidarité Madagas­car. Na­nome vola mitentina 50 tapitrisa Ar ny orinasa Orange […]

Fananganana ny SLC: Nihaona ny ben’ny Tanàna sy ny sefo fokontany

Nihaona mivantana tamin’ireo sefo fokontany 192 manerana ny boriborintany enina ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, mialoha ny handrafetana ny rafitra ifotony ifanakalozana, SLC. Tamin’izany no nilazany tamin’ireo mpivory fa ny fametrahana io rafitra io no hiaingan’ny fampandrosoana. Haverina ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra amin’ireo paompim-pokonolona sy ny toerana fanasan-damba. Ireo sefo fokontany […]

Ady amin’ny famarinana olombelona: Heloka bevava miseho amin’ny endriny samihafa

Fanandevozana maoderina, fanondranana olona antsokosoko…. Tena misy ary voafaritra ho heloka bevava izany. Mitaky fahatongavan-tsaina sy fahasahian’ireo izay iharan’izany na mahita ilay tranga. Homarihina rahampitso, eny Ivato, ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny famarinana olombelona. « Ny famarinana olombelona dia heloka bevava, aoka hatsahatra ny fanararaotana ». Io ny lohahevitra voizina mandritra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tonga ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro ny fandrarahana godirao ny RN-13, miainga avy any Ambo­vombe. Tetezam-by vitsivitsy sisa no hasiam-panamboarana ato anatin’ny 3 volana, vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faramparan’ny volana oktobra, ka ao anatin’izany ny tetezana Ranopiso, maherin’ny 100 metatra. Manana tanjaka 1 MW ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, […]

Fambolena: Manohana ny tetikasa vary safiotra ny FAO

Nitsidika ny Foibe fitaratra mahakasika ny famokarana masomboly vary safiotra eny Andranovaky Mahitsy, ny tale jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO), ny Dr. Qu Dongyu, ny sabotsy 26 jolay teo. Nitarika azy teny an-toerana ny Sekre­te­ram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA), Rtoa Razanamahefa Tahian’Ny Avo sy ny mpiara-miasa aminy. Nojerena manokana […]