Hotanterahina eny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 9-10 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra andiany voalohany amin’ny “Tournoi Solidaire”. Hetsika ara-panatanjahantena iray miavaka izy ity, araka ny nambaran’Andriasiharilala Finoantsoa Nomena Fitahiana, filoha mpikarakara ny fifaninanana. Ankoatra ny fanatanjahantena, hisy koa ny asa sosialy izay hatao. Misongadina amin’izany ny fanohanana ireo […]
Mois : juillet 2025
Amboditandrohoroho : Trano 241 tafo indray narodana
Trano 241 tafo no indray narodana tao amin’ny fokontany Tapakala, kaominina ambanivohitr’ Amboditandrohoroho, distrikan’ i Toamasina II, omaly. Vokany, maro ireo tsy manan-kialofana. Ankoatra izay, tokony tsy noradana ny moske, trano fivavahana ho an’ny mpino Silamo, fa narodana daholo. Nambaran’ ny fanadihadiana fa nahazoana fahazahoan-dalana teo anivon’ny kaominina ny fananganana […]
Taekwondo ITF : 45 mianadahy niatrika fanadinana
Nanatanteraka fanadinana hahafahana mampiakatra grady ireo mpikatroka eo anivon’ny kaomisonina malagasin’ny Taekwondo ITF, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Dojang Tafita Sports-Arts Academy Ambaranjana. Niatrika izany ny mpikatroka 45 mianadahy, manomboka amin’ny tepana mavo hatramin’ny tepana mena hiakatra mainty. Mpikatroka avy eto Analamanga, amin’ny tapany afovoany, moa ireto niatrika fanadinana […]
« Rallye des Industries » : Fahombiazana tanteraka ny hetsika
Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Novotel Alarobia ny andiany voalohany amin’ny « Rallye des Industries », izay natao ny sabotsy teo. Hitohy any amin’ny faritra ny hetsika. Nandrombaka ny fandresena tamin’ny famaranana lehibe ny ekipa « ABS School – ArBiochem ». Etsy andaniny, ny « Inscae – Star » kosa no nahazo ny isa […]
INDRAY MIJERY
Tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny faran’ny herinandro teo, nanatrika ny hetsika « Fijery hafa » ao Isandra. Manamafy ny fanohanany ny politikam-panjakana mikendry ny fampivoarana ny maha olona, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny programa ho fanamafisana sy ho fanatsarana ny sehatry ny fampianarana […]




