Hanomboka anio, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Mialoha ny fifaninanana, hisy ny « Clinic des entraineurs » hatao ho amin’ny anio, ao amin’ny Arena Toamasina. Efa vita omaly kosa ny fivoriana ara-teknika. Misaona indray ny tontolon’ny baolina […]
Mois : juillet 2025
Handball: Mampitandrina ny Federasionina
Namoaka filazana ho an’ireo ligim-paritra rehetra eo ambany fifehezany ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny 21 jona lasa teo, fa tokony hanaja ny lalàna manan-kery ny hetsika rehetra hataon’izy ireo. Ho an’ireo klioba tsy ankanavaka, tsy misy afaka mandray anjara na manao lalao amin’ny ekipa vahiny raha tsy mahazo alalana […]
Manasa-dalan’ny «Yas Coupe Madagascar » : Hanokatra ny lalao ny Elgeco Plus sy ny Cosfa
Hifantoka etsy amin’ny Elgeco Plus By-Pass indray ny sain’ny mpanaraka baolina kitra malagasy, amin’ity herinandro ity. Samy hiady ny tapakilan’ny famaranan’ny “Yas Coupe de Madagascar” ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana. Raikitra izy ity! Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara […]
Kianja Malacam : Haharitra iray volana ny fitsarana miaramila
Hanomboka anio, hifarana ny 3 aogositra 2025, ny tetiandro fitsarana miaramila ho an’ny taona 2025, ho an’ny eto Antananarivo. Ao amin’ny Kianja Malacam Antanimena no hanaovana izany manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry […]
Ady heloka bevava ao Toamasina : Telo lahy voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty
Migadra mandra-pahafaty ireo telo lahy voaheloka tamin’ny fanafihana niharo famonoana raim-pianakaviana ny volana septambra 2024. Tsy nitsitsy ny fampanoavana. Hentitra no azo ilazana ny fotoam-pitsarana ny alakamisy teo nandritra ny fitsarana ilay raharaha fanafihan-jiolahy tao Tanamakoa, ny alin’ny 03 septambra 2024, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, araka ny antontan-taratasin’ady lah […]




