Mois : juillet 2025

Nosy malagasy : Niaro ny tontolo iainana ny Frantsay

Nitondra ho amin’ny lalana fiarovana ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina ny ankolafy frantsay. Eo koa ny fikarohana siantifika, ny toekarena manga (ao anatin’izany ny fizahantany sy ny jono), ny fiarovana ny ranomasina ary ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Io no anisan’ny voatsiahin’ny fanambarana iombonan’ny vaomiera frantsay-ma­lagasy momba ireo […]

Ady amin’ny kolikoly: Nahazo traikefa ny zandary sy ny polisy

Notanterahina teny amin’ny Toby Ratsimandrava, ny 2 jolay teo, ny fikaonandoha niarahan’ny Parlemantera Zimba­boanina sy ny sampandraharaha avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena miady amin’ny kolikoly. Niatrika ity fihaonana ity ny lehiben’ny sampana miady amin’ny kolikoly (Apanac) any Zimbabwe, Goromonzi Chikwaka. Teo koa ny solontenan’ny parlemanta malagasy, ny depiote voafidy […]

Fitakiana ireo Nosy manodidina : Mitaky ny fanohanan’ny Sadc sy ny Rosianina ny Seces

Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Seces, omaly. Fitakiana sy famerenana manontolo ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay, nandritra ny 130 taona mahery ny lohatenin’ny fanambarana . “Miantso ary mitaky fifanohanana diplao­ma­­tika avy amin’ireo firenena sy vondrona mpiara-miombon’antoka amintsika izahay. Anisan’iza­ny ny ONU sy ny rantsa-mangaikany, ny COI, ny Sadc […]

INDRAY MIJERY

Hetsika firaisankina ao Analamanga. Nisy ny fandrahoana sy fanomezana sakafo mafana ho an’ireo olona miisa 200 raisina an-tanana ao amin’ny akany fialofana Seba sy Madcap. Nifanome tanana tamin’ny fanatanterahana izany ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny firaisankina Analamanga miaraka amin’ny Tily Madagasikara. Fanatsarana ny sehatry ny asa tanana ao Ambositra. […]

Filoha Rajoelina Andry: Nizara Vatsy tsinjo tao Ambohimahasoa

Nitohy tamin’ny fizarana vatsy tsinjo ho an’ireo tokantrano sahirana miisa 3 500 ao Ambohimahasoa ny fitsidi­han’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Fitia mivaly fitia”, hoy ny filoham-pirenena nandritra ny lahateniny, izay nanamafy ny hanohizany hatrany ireo ezaka efa natomboka ho fitsinjovana ny fiai­nan’ny mponina. Nambarany fa ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana […]