Mois : juillet 2025

“Libertalia Live”: Hizara ny “Deep South Style” ry Da Hopp

Tarika zokiny indrindra sy mihetsika indrindra koa. Mbola miaina sy mampiaina tanteraka ny rap gasy ry Da Hopp. Manohy ny ketrika sy mizara hatrany ihany koa. “Mbola ireo ry zalahy!” Nahateny izany avokoa izay nijery ny fampisehoana nataon’ny Da Hopp, nandritra ilay hetsika fahatsiarovana ireo niha­ran’ny lozam-piaramanidina, izay natao ny […]

FANTINA sy FINTINA

Ho vehivavy ny governoran’ny faritra Amba­tosoa, izay faritra faha-24. Afaka fotoana fohy no hanendrena an’izay governora izay, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fidinana ifotony tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Efa eo an-tanany ny mombamomba ireo vehivavy telo kandidà amin’izany. Vita fianianana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy famonoana afo ny fanaovana serasera”

“Ny minisitra isan-tokony lasa mieritreritra fa mpamono afo ny seresera. Ahitsy izay fa tsy izany ny seresera fa zavatra nianarana io, ary atao amin’ny fomba matihanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny serasera eo anivon’ny Antenimierampi­rene­na, ny depiote Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny resabe mandeha ny amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambo­hi­malaza. […]

Mamono afo!  

Tena mahatsiravina ilay filalaovana politika eto amin’ny tanàna. Tsy misy andro  mihiratra tsy ahazoana vaovao miiba mahakasika ireo mpikirakira izany. Zary fifamotehana noho ny resa-bola sy valifaty manokana sisa no azo hamaritana ilay politika. Tsy vitan’izay fa misy mahavita mamoron-dainga hanaratsiana ny hafa. Tsy ny fiarahamonina ihany no simba eto […]

Minisitra Rasata Rafaravavitafika : “Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara”

Nampiantso ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Nampahatsiahiviny, nandritra izany, fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. “Nahazoako nampaha­tsiahy taminy izany fotoana izany fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Ma­lalaka amin’ ny safidy ataony koa i Madaga­sikara eo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena”. […]