Mois : juillet 2025

Fizahantany: Nivoaka ny boky « +261 Expériences Madagascar »

Nampahafantarina ny 25 jolay teo ny hamoahana ny boky torolalana ho an’ny fizahantany «+261 Experiences Mada­gas­car». Manantontosa azy ny Ofisim-pirenena ho an’ ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Mirakitra ireo toerana mahaliana sy miavaka ara-pizahantany eto amintsika ity boky ity. Nambaran’ny tale mpanatanteraka ao amin’ny ONTM, Barivelo Danny, fa tanjona ny […]

Sadc: Hatao kaontinanta indostrialy i Afrika

Natao kaontinanta mpanondrana akora fototra hatrany i Afrika hatramin’izay, indrindra ny lafiny fambolena sy ny harena ambanin’ny tany. Hanova izany no anisan’ny tena hifantohana nananganana ny Tsenam-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Amin’izao hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, andiany faha-8, eto Ma­da­gasikara izao, omen-danja manokana ny hetsika «Herinan­dron’ny indostrian’ny Sadc», […]

Tsena andavanandro: Nihena 150 Ariary ny kapoakan’ ny vary

Mbola foto-tsakafo tsy afaka miala amin’ ny fiainan’ny Mala­ga­sy ny vary. Nahita­na filatsahana ny vi­din’izany eny an-tse­na, araka ny fidinanana ifotony teny Antanimena. Anisan’ireo entana andavanandro ahitana fiovam-bidy ny vary. Araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ny tsena andavanandro iray, teo Anta­ni­mena, nahitana fihenana eo ho eo amin’ny 150 Ariary […]

TARATRY ny KANTO

Laharana fahatelo ilay horonantsary “Sita­bomba”, notontosain’i Lova Nantenaina, nandritra ny “Festival Africajarc 2025”. Mitombo hatrany ny fankasitrahana iraisam-pirenena azon’ity horonantsary ity, na­nomboka tamin’ny taona 2023 nivoahany. Hetsika iray ho an’ny kolontsaina afrikanina, fanao any Cajarc, any Frantsa izy ity, izay ahitana fampirantiana, fifaninanana sy fandefasana horonantsary, fampisehoana, sns. Hisy atrikasa […]