Vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaompania Madagascar Airlines sy ny Air Austral momba ny fizarana « codeshare ». Ity farany izay « accord tarifaire spécial (SPA). Tanjona ny hanatsarana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy La Réunion ary ireo firenena hafa. Noho izany, afaka mamandrika toerana amin’ny laharana MD an’i Madagascar Airlines […]
Mois : juillet 2025
Fanarahana ny fepetran’ny FMI: nampidirina ny TVA 20% amin’ny zanabola indramina amin’ny banky
Nanapa-kevitra ny hamerina ny hetra amin’ny zanabola amin’ny vola indramina amin’ny banky ny fanjakana. Nanda kosa anefa izy ireo ny hampidiran-ketra amin’ny vary sy ny rano. Efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2025 ny famerana ny hetra amin’ny zanabola indramina eny amin’ny banky, araka ny fanapahan-kevitry ny […]
Faritra Diana: Mahatratra 614 ha ny ala honko efa narenin’ny Bôndy
Anisan’ny misehatra amin’ny fanarenana ny ala honko any amin’ny faritra Diana ny orinasa Bôndy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mponina eny ifotony mba hisian’ny fampandrosoana. Mihazakazaka ny asa na dia vao telo taona monja aza ny nanombohan’ny orinasa any an-toerana amin’ny alalan’ny tetikasa “Ma Honkô”. Miisa dimy ny kaominina (Ambaliha, Antranokarany, […]
TARATRY ny KANTO
Hiova ny ora fivoahan’ny Fondation H etsy Ambatomena. Manomboka anio, hisokatra amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva ny toerana fampirantiana, ny trano famakiam-boky ary ny toeram-pivarotana, ny talata hatramin’ny sabotsy. Amin’ny 10 ora hatramin’ny 4 ora hariva kosa ny alahady, ankoatra ny trano famakiam-boky. Ny alatsinainy kosa no […]
Taom-pianarana 2025-2026 : Ho maro ny sekoly hampianatra kolontsaina malagasy
Tao anatin’ny fanadihadiana natao tamina tomponandraikitry ny sekoly miisa 52 (Antananarivo sy ny manodidina). Ny 49 tamin’ireo no nanambara fa : « anisan’ny fiovana sy fanatsarana ny sekoly ny hampiditra ny taranja fianarana ny kolontsaina malagasy, amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Sady mahasarika ny tanora no anjara birika amin’ny fiverenana amin’ny fototra no antony […]




