Niakatra ny vary safiotra, nambolena ny volana febroary teo, tany amin’ny kaominina Ambohijanahary, faritra Alaotra Mangoro. Tsara ny vokatra, ary efa homanina sahady ny taom-pambolena manaraka. Fararanom-pifaliana ny any amin’ny kaominina Ambohijanahary, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ny 30 jona teo. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Raholison Tahiry, fa nankalazana ny […]
Mois : juillet 2025
MSP: Nankasitrahana ireo polisy mendrika
Nandray sy nankasitraka manokana ireo polisim-pirenena roa: ny commissaire de Police Andriamiharimanana Rojo, sy ny Officier de Police Sarisaina Micky Neslon, nahavita fiofanana nandritra ny herintaona tany Frantsa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, omaly. « Porofon’ny fahaiza-manaon’ny polisim-pirenena izao vokatra izao », hoy ny MSP. […]
FJKM Ilanivato: Jobily faha-25 taonan’ny Mpitandrina
Hotanterahina ny alakamisy 03 jolay 2025 ho avy izao, amin’ny 09 ora maraina, ao amin’ny FJKM Ilanivato Misionera, ny fotoam-pivavahana noho ny faha-25 taona maha mpitandrina an-dRafaliarivonisolo Olivier Gérard. Ny synodam-paritany SPAA10 no hitarika ny fotoana amin’io, raha ny alahady 06 jolay 2025, amin’ny 08 ora sy 30mn maraina kosa […]
Trafika : Olona 2 tra-tehaka teny Ivato nitondra varika
Tsy mety foana ny trafikana harena voajanahary mankany ivelany. Ankoatra ny volamena sy ny sokatra, misy manondrana an-tsokosoko koa ny varika. Varika, karazana sifaka, miisa efatra no tratra teny amin’ny seranam-piramanidina Ivato, ny alahady 29 jona teo. Nitondra azy ireo ny olona roa, lehilahy teratany kaomoriana mizaka zom-pirenena malagasy sy […]
INDRAY MIJERY
Fankalazana ny jobily faha-45 taon’ny FLM Toby Fanantenana 67Ha. Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa. Nanotrona teny an-toerana koa ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’ny Avo. Nisy ny teny faneva «Mitombo tsara ho tempoly masina ao […]




