Mois : juillet 2025

«Salon de l’Habitat & Déstockage Pro 2025» : Mpitsidika maherin’ny roa alina no andrasana

Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, ny hetsika « Salon de l’habitat & déstockage pro ». Sehatra iray natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady vahaolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano, izay iarahan’ireo orinasa maro mampiranty. Mpitsidika maherin’ny roa alina […]

Tsy ampy fangaraharana  

Nanaitra toa vara-datsaka ny vaovao tato ho ato mahakasika ny mpitondra. Teo ny mahakasika ny maha tomponandraikitry ny raharaham-panjakana azy ireo. Misy kosa ny fiainan’izy ireny manokana. Zary niteraka resabe, manaratsy endrika ilay fitondrana avokoa izany. Lasibatra manokana noho ny adalan’ny sasany ilay Filohan’ny Repoblika. Tsy vao sambany no nisy […]

“SIW 2025”: Andrin’ny indostria ny fambolena sy ny fizahantany

Tafiditra ao anatin’ny lohahevitry ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc (SIW 2025), ny lafiny fambolena sy fizahantany. Mifameno ireo sehatra ireo hampandrosoana ny indostria. Tena ilain’ny indostria ny akora fototra avy amin’ny fambolena. Namela­be­latra ny anjara toeran’ny seha-pamokarana amin’ny fampandrosoana ny indostria aty amin’ny faritry ny Sadc, ny minisitry ny Fambolena sy […]

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 5 Mahamasina, ny talata tamin’ny 7 ora hariva teo. Tra-tehaka teo am-pangalarana findain’olona iray teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara teny amin’ny Fasan’ny karana izy io. Nahatratra azy io ny polisy nanao fisafoana teny an-toerana. Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy.

Lehilahy voatsatoka antsy inenina : Notanana am-ponja ny nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankazobe, ilay lehilahy nanidrona antsy inenina ny lehilahy iray hafa, tao amin’ny kaominina Ambo­hitromby. Niaro ny anabaviny tsy ampy taona saingy efa tao anatin’ny hamamoana, nandratra olona tamin’ny fomba nahatsiravina ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany sady kao­minina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe io, ny 26 […]