Mois : juillet 2025

VAOVAO TAMBATRA

Nitohy tany Brickaville ny « Diaben’ny Famo­karana », ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nahatratra 500 ny tantsaha sy mpiompy nahazo fiofanana, ny 17 jolay teo. Niofanana ny teknika Pfumvudza, mamokatra be amin’ny tany kely, ny fambolem-bary Papriz mampiakatra ny vokatra, ny fambolena akondro, ny fanovana ny fiompiana sns. Nampahafantarina ny tomponandraikitra […]

FER 2025: Manan-karena am­ba­nin’ny tany i Toliara

Nandray anjara tamin’ny velakevitra nandritra ny Fihao­nam­bem-paritra ara-toekarena (FER), andiany faharoa, natao tany Toliara, ny 17 sy 18 jolay teo, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS). Lohahevitra noraisina ny « Atsimo Andre­fana, tany manan-karena an-kibon’ny tany ». Nisolo tena ny minisitera, ny talen’ny Kabinetra, Rakotomalala Tahiry Andria­miarintsoa, nanazava ny fampahafantarana ireo fanavaozana […]

Nohavaozina ny lalàna: Afaka misitraka ny tsena karbôna ny rehetra

Nivoaka ny lalàna vaovao mifehy ny tsena karbôna, araka ny didim-panjakana lah.2025-626. Voakasik’izany ny fitantanana sy ny fivarotana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Milaza ity lalàna vaovao ity, fa « manan-jo handray anjara amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny entona karbôna ny olona na orinasa an’ny fanjakana na tsy miankina eto an-toerana na vahiny. […]

Filana andavanandro : Tafakatra 5 000 Ar ny kilaon’ny lafarinina

Mandalo fahasahiranana ny entana ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro. Niaka-bidy ny lafarinina sy ny sira. Anisan’ireo entana eny am-pivarotana tena betsaka mampiasa, indrindra ho an’ireo olona tia ma­handro sy manendy, ny lafarinina. Tsy mitombina tsara ny vidin’izy io, araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo tsena eny Isotry, omaly. Misy amin’izy […]