Mba mahavariana ilay zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Tena misy sokajin’olona manao izay danin’ny kibony amin’ny famotehana ilay fitondram-panjakana. Tsy mba olona ety ivelany akory, fa ny ao anatiny ihany no manao mpamosavy malemy. Tsy takona hafenina ny fahalovana izay miseholany etsy sy eroa. Ny tena zava-doza dia ity firaisankina […]
Mois : juillet 2025
Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina : “Aoka tsy atao resaka politika ny Raharaha Ambohimalaza”
Naneho hevitra manoloana ny raharaha nitranga tao Ambohimalaza ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa ahodin’ny sasany any amin’ny resaka politika io raharaha io. Hentitra ny minisitra. “Manodinkodina ny zava-nisy ho resaka politika ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny nefa efa nandray an-tanana ny raharaha ny fitondram-panjakana […]
Nangalatra 6 tapitrisa Ar : Ankizy telo naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja, ny 19 jolay teo, ireo telo mianadahy ka tsy ampy taona ny iray. Nangalatra vola mitetina 6 tapitrisa Ar tao amin’ny fokontany Andramasina, kaominina Am-batomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, izy ireo. Nipetraka tao amin’ny fianakaviany ary nametrahan’izy ireo fitokisana ilay ankizivavy vao 13 taona. Tsy hita tampoka io […]
Toamasina : Tovovavy 15 taona nananton-tena
Tovovavy mbola mpianatra hita faty nihantona tamin’ny hazo tao amin’ny fokontany Andranomadio, parisela 11/43, kaominina Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Vao 15 taona monja ary mianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao an-toerana io ankizy io. Tsy nody an-trano izy efa ho roa herinandro mahery. Nikaroka azy nandritra izany ny […]
Raharaha Ambohimalaza : Tsy mbola voaantson’ny zandary ny tompom-pety
Hatramin’ny fotoana nanoratanay, tsy mbola nampanantsoina teny amin’ny zandary ilay tompon’ny fety teny Ambohimalaza. Efa misy olona 17 sitrana, nivoaka ny hopitaly, raha ny vaovao ofisialy. Natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava eny Fiadanana ireo olona telo efa notanana vonjimaika, niampy ny renin’i Fenohasina ilay tompom-pety, omaly. “Atao fanadihadiana […]




