Mois : août 2025

Fiompiana trondro: Nahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana

Nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Tsima­naoraty Paubert, afakomaly, tany Mahajanga, fa efa mahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana amin’ny resaka fiompiana trondro eto Mada­ga­sikara. Araka ny fanazavany, efa mpiompy trondro avokoa ny antsasa-manila amin’ireo nahavita izany. Raha ho an’ny faritr’i Ma­hajanga manokana, manodidina ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, ny Foara ho amin’ny fizakan-tena ara-toekarena na ny Tsenaben’ny Fokontany Betsizaraina. Maro ireo olo-manan-kaja tonga teny an-toerana. Hifarana ny alahady ho avy izao moa ity Foara be etsy Betsizaraina ity. Hotanterahina ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao ny Marathon […]

Fanatsarana ny famatsian-drano: Nanampy bonbonne 25 ny Jirama

Araka ny vaovao naparitaky ny orinasa malagasy Jirama, omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Nisy ny fampitaovana isan-karazany nataony mba hisitrahan’ny Ma­lagasy rano fisotro madio. Anisan’ny tena nisongadina tamin’izany ny fanampiana bonbonne miisa 25, izay hanatevina ny 236 efa niasa hatramin’izay. Ho fampiharana izany avy hatrany, ny faritra avo sy ivelan’ny […]

Seranan’Ivato: Vita ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana

Afaka miasa ankehitriny ny toerana fiantsonan’ny fiaramanidina, Tarmac 1. Nandaniana 32,5 miliara Ar ny asa, ho fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Dingana vaovao indray no vitan’ny orinasa Ra­vi­nala Airports amin’ ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Raha ny antontanisa, nandritra ny fo­to­am-piasana 2025, manodidina ny 60 isan’andro ny fivezivezen’ny fiaramanidina teo […]

INDRAY MIJERY

Ny fanadiovana sy famerenana amin’ny laoniny ny lakandrano C3 no vaindohan-draharahan’ny tetikasa Produir. Zava-dehibe amin’ny fisorohana ny tondradrano sy amin’ny lafiny ara-pahasalamana izany. Fotaka 55 839 m3 no nosokirina tamin’ny lakandrano mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara. Taorian’ny fahamaizana nitranga tetsy Ano­sibe Mandrangobato I, tonga nitondra tosika vonjy taitra ho an’ireo […]