Aiza ho aiza ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson: “Tsy fanohanana an-jambany na fankahalana ny fanaovana politika.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao?
Rakotomanana Richardson (-): Hararaotin’ny olona ao anatin’ny hoe miaina amina demokrasia liberaly, ny fahafahan’ny tsirairay, ny maha laïka ny fanjakana, ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy… Heverin’ny olona fa mahazo manao izay tiany hatao izy, na hiteny ratsy, na hanely tsaho, na hanakorontana… Tsia. Na miaina ny demokrasia sy fahafahana ary ny zon’olombelona aza, misy lalàna hatrany mifehy izay lazaina sy atao. Misy famaizana izay mihoa-pefy. Indraindray, na very tondro lalana na tsy fantatra izay tena mifehy fa tsy baranahiny na goragora ny hoe demokrasia sy ny fahafahana. Rehefa atao any amin’ny tsy izy izany, lasa fikorontanana. Raha mikorontana ny firenena, tsy mampandroso izany…
* Ary ny fomba fanaovana politika?
– Amin’ny maha firaisamonina sivily anay, fito eo ny vondron’olona ao anatin’ny firenena iray: firaisamonina politika, firaisamonina ekonomika, firaisamonina mediatika, firaisamonina sivily, firaisamonina miaramila, firaisamonina ara-pinoana, firaisamonina sendikaly. Manabe ny vahoaka na ny mpikambana ao aminy ho tia tanindrazana no tokony hataon’ny mpanao politika rehetra. Tiana handroso ny tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana, fa tsy hoe fakana seza etsy sy eroa na enti-manohitra sy mankahala. Izay fampandrosoana rehetra ho an’ny tanindrazana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany: fanamorana ny fiharian-karena, fandriampahalemana, famatsiana jiro sy rano… Amin’izao, lasa fifankahalana ny fanaovana politika, fanoherana bontolo, fitiavana na fankahalana olona iray… Tsy miditra amin’izany ny CSCPM. Mila samy manao izay tandrify azy ny firaisamonina politika, sivily, fivavahana… Izay hampandrosoana ny tany sy ny olona ny fanaovana politika.

* Ny fijerinao ny fanoherana amin’izany?
- Manahirankirana… Hita ny fomba fanoheran-dry Andriamanjato Richard sy i Herizo Razafimahaleo, ohatra: foto-kevitra sy ny fomba fitantanan’ny mpitondra no tsikeraina. Ny ankehitriny, fanoherana bontolo: tsy mety avokoa izay rehetra ataon’ny mpitondra hoe tsy laharam-pahamehana sy tsy mety. Marina ny tenin’ny filohan’ny Repoblika hoe manahirana ny fanoherana: mipetraka ianao, maninona raha mitsangana; mitsangana ianao, maninona raha mipetraka? Tokony ho ideolojia tsy mitovy ny fanoherana: sosialisma na kapitalisma, liberalisma na kominisma… Ny fanoherana misy, miendrika fankahalana na valifaty politika. Na ny firaisamonina sivily sasany aza, lasa ampitabatabain’ny mpanohitra. Tsy izay no izy. Elanelam-panahy ny firaisamonina sivily: manampy vahoaka sady manampy ny sampandraharaham-panjakana. Mikapoka ny vahoaka izay tsy mandoa hetra na mangalatra na tsy tan-dalàna, sns, mikapoka ny sampandraharaham-panjakana izay manao kolikoly na manampatra fahefana, sns.
* Maninona ny tsy manana ideolojia ny ankamaroan’ny antoko politika?
– Vao niditra tamin’ny demokrasia liberaly hatramin’ny tolona 1991, tsy nisy intsony ny adihevitra ideolojika fa lasa ady seza sy fifanenjehana politika: manongana; rehefa tsy mahaongana, mitady fiaraha-mitantana na Tetezamita. Tsy firy no miteny hoe sosialista ny antoko amin’izao, na liberaly, na demokraty, na repoblikanina… Amin’izao, vondrona politika roa ihany no tena ironan’ny saim-bahoaka. Mahatonga ny olona mirona any amin’ny mahaleo tena na tsy miankina, mahay maka ny fon’ny olona amin’ny hoe tsy te ho ratsy amin’ny andaniny sy ny ankilany ry zareo. Indraindray, manana toetra mihatsaravelatsihy kely izay ny Malagasy: tsy tena te ho any amin’ny mpanohitra, tsy tena te ho any amin’ny mpitondra. Izay eo anelanelany no arahin’ny olona.
Tsy marina loatra ny hoe maro anisa mangina, fa olona tsy te hisahirana amin’ny raharaham-pirenena no misy. Toy ny hoe tsy mandoa hetra fa tsy mahatsapa ny tokony hanaovana izany rehefa manana tany na trano, manana fitadiavam-bola… Tsy maintsy mandoa hetra rehefa mivelona ao anatin’ny firenena. Tsy manana kolontsaina politika ny ankamaroan’ny olona. Tsy misy fanerena, ohatra, ny fifidianana, dia tsy mifidy ny sasany.
* Inona no hanarenana an’izany rehetra izany?
– Ny fanaovana serasera matanjaka… Fifandraisana ho amin’ny fanovana ny fitondran-tena sy ny toe-tsaina. Mila tena beazina ny vahoaka: atao izay hampiroborobo ny fiharin-karena raha mihary, hatsaraina ny fampianarana raha mampianatra, aza manampatra fahefana na manao kolikoly na mampijaly vahoaka raha mpiasam-panjakana na mpitondra fanjakana izay natao hanompo vahoaka… Manabe ny olom-pirenena rehetra ho amin’izany ny CSCPM. Miainga amin’ny tsirairay ny fampandrosoana: ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, isam-pianakaviana… Miitatra amin’ny fiarahamonina izany, ny fokontany, ny kaominina; distrika…
Tsy maintsy amin’ny fanabeazana olom-pirenena ary fanentanana sy fanetsehana vahoaka no enti-mampandroso ny firenena. Amin’ny fanovana toe-tsaian sy toe-po, fitondran-tena, fomba amam-panao… Anisan’ny tokony hiova ao anatin’izay ny fanaovana politika. Tsy fanohanana an-jambany (fanatisme) na fankahalana ny fanaovana politika, fa fananana ideolojia sy vina ary asa mazava be mifanaraka amin’izay. Tsy mpanao politika ny firaisamonina sivily, fa mitady izay fomba rehetra hanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny fihariana, fandriampahalemana, sosialy, tontolo iainana… Raha izay no politika, politika amin’ny maha olom-pirenena no ataon’ny firaisamonina sivily. Politika fampandrosoana izany, fa tsy politika politisianina hiady seza.
Nangonin’i R. Nd.




