Nanakatonana ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tenisy ny lalao ho an’ny sokajy rehetra. Fihaonana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMT) ary nofaranana teny amin’ny Kianja Asut Ambohitsaina, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny 1ère série, vehivavy, i Tsantaniony Iariniaina, rehefa nandresy an-dRazafinarivo Mirindra, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2; […]
Mois : août 2025
“Kids JBB Games” : Ny 24 aogositra izao ny andiany faharoa
Taorian’ny fiadiana ny amboaran’Analamanga, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny “Kids JBB Games” indray ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana. Fifaninanana karakarain’ny Brezilian Jiu-jitsu Esca (BJJ Esca), ny 24 aogositra izao, ao amin’ny Dojo Esca Antanimena io hetsika io. Fotoana hifanomezana, hanasana ireo katitakely hampiseho ny talentany. Hanasana […]
Fidirana amin’ny sehatry ny asa : Tombony ho an’ny tanora ny fisian’ny fampiofanana
Tanora avokoa ny 70% ny mponina eto Madagasikara. Tombony ho azy ireo amin’ny fitadiavana asa ny fisian’ny atrikasa fampiofanana mahakasika ny fampanana asa sy ho tonga mpandraharaha. Maherin’ny fito amin’ny 10 ny tanora malagasy mipetraka any ambanivohitra, raha ny tatitra voaray farany mahakasika ny tanora maneran-tany. Avy amin’ny tokantrano sahirana […]
Minisitry ny Fitsarana: “Aoka isika tsy hifanaratsy “
Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny herinandro teo, tamin’ny synaodan’ny FJKM tanterahina any Taolagnaro fa mifanaratsy ny samy mpino. Nambarany fa tsy tokony hisy mpitondra fivavahana hanaratsy mpitondra fanjakana na ny mifamadika amin’izany, araka ny nambarany. “Anisan’ny manampy sy manome tohana ny fiangonana hatrany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana”, […]
Talata Volonondry – Valin’ny fitiliana: Matin’ny aretina ny ben’ny Tanàna
Tsy nisy namono fa maty noho ny aretim-po ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Ny Toky Mampionona. Nametraka fangatahana hanaovana fitiliana, “Autopsie”, ny razana ny solombavambahoaka Tim Avaradrano, Andriamosa Avotra. Nandalo teo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana ny hanatanterahana izany ary nahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Anisan’ny niatrika ny fitiliana ny […]




