Mois : août 2025

Itaosy : Voasambotra ilay mpiambina

Tratran’ny zandary ny mpivady, mpiambina tanàna, namaky sady nangalatra ny entan’ny mpampiasa azy tao Ambohima­mory Itaosy, omaly. Miara-miasa ao amin’ny tanàna iray izy mivady ireo ka mpiambina tanàna rangahy. Nanararaotra ny tsy naha tao ny tompon-trano izy mivady ka nalainy ny fitaovana toy ny fatana fampiasa amin’ny gaz. Nahita olona […]

Fanatsarana ny zotram-pifidianana: Hanao tombana anatiny ny eo anivon’ny Ceni

Nanatanteraka fananganan-tsaina teny amin’ny foibeny eny Alarobia, omaly, ny Ceni. Nitarika izany ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène. Anisan’ny voaresaka ny fanatsarana ny zotram-pifidianana. Nambarany tamin’izany ny fanomanana ny atrikasa hanaovana tombana anatiny enti-manatsara ny zotram-pifidianana, hatao ny 27 hatramin’ny 29 aogositra ho avy izao, any Maha­janga. […]

INDRAY MIJERY

Manodidina ny 3 hatramin’ny 22°C ny mari­pana ny maraina ary eo anelanelan’ny 14 – 34°C ny tolakandro. Ny tsiokan’ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hiha­malefaka kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Misy ny fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsi­raka sasany. […]

Fampiasana kodiaran-droa : Ampitomboina ny fahamailoana eny an-dalana

Mitombo isan’andro ny mpampiasa kodiaran-droa eto an-dRenivohitra. Ambony ny ambana amin’ny loza ho an’ izy ireo, noho ny tsy fisian’ny fiarovana na tsy fahampian’ izany. Manafatrafatra ny An­tokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ny amin’ny tokony hampitom­boana ny fahamailoana. Ho an’ireo mpitondra ko­diaran-droa, ilaina ny mianatra sy maka taratasy fahazoan-dalana […]

Herisetra an-tsekoly : Manampy ny ankizy ny fahatokisan-tena

Hiditra an-tsekoly ny mpianatra afaka iray volana. Misy ireo ankizy tsy te hiverina any intsony noho ny herisetra nahazo azy tany am-pianarana. Tsy voatery ho herisetra ara-batana fa mety ho ara-tsaina vokatry ny fitenitenenana azy, fandrabirabiana, fampitahorana, fanambaniana… Misy mpampianatra manao izany herisetra ankolaka izany, mety tsy am-piheverana na fanahy […]