Mois : août 2025

SOMBIM-BAOVAO

Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, […]

Echecs Analamanga : Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana

Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny mpikambana eo anivony, ny sabotsy lasa teo, teny Analakely. Nisy ihany koa ny fanovana ny sata nataon’izy ireo. Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Anala­kely. Fijerena sy fandaniana ny fanovana […]

INDRAY MIJERY

Azo hanoherana ny herisetra an-tsekoly ny fahatokisan-tena. Rehefa manana izany ny olona iray ary hainy ny mametraka fetra amin’izay tsy zakany sy tsy tokony hiaretany, ho sahy kokoa izy hanohitra ny tsy rariny iainany na ihany koa iainan’ny hafa atrehiny maso. Ny fanontaniana tsara mipetraka dia ny hoe: ahoana no […]

Ho an’ireo mpitatitra: Miteraka loza ny fanaovana dona miverina

Ao anatin’izao fialantsasatra izao, matetika tsy maharaka ny fiara fitaterana mampifandray an’Antananarivo sy ny faritra be mpandeha miala sasatra. Manaporofo izany ny fahafenoan’ny famandrihan-toerana tapa-bolana mialoha miainga any amin’ny faritra amin’ireo kaoperativa amin’ireo zotra be mpiala sasatra. Mampahatsiahy ny An­tokon­draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fa fadiana tanteraka ny fanaovana […]

Fikambanam-behivavy: Nomena tantsoroka mitentina 29 tapitrisa Ar

Nitondra tohana ho an’ny fikambanam-behivavy ao amin’ny faritra Analanjirofo ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Nomena tantsoroka mitentina 29 tapitrisa Ar ny fikambanana miisa valo hoentiny mampandroso ny fiainan’ny fikambanana sy hampiroboroboana ny fiharian’izy ireo. Nisitraka izany ny fikambanana avy ao Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo ary […]