Mois : août 2025

Herisetra an-tsekoly : Mitarika olana ara-tsaina amin’ny ankizy niharany

Zava-misy eny anivon’ny sekoly eto amintsika ny herisetra an-dakilasy fa sarotra ny miresaka azy noho ny tahotra sy ny henatra ary ny fitsaran’ny fiarahamonina. Misy fiantraikany ara-tsaina eo amin’ilay zaza sy ny ankizy niharany anefa iizany. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Ivokolo Anala­kely, ny hetsika “Aoka izay ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fitotonganan’ny Ariary, miohatra amin’ny sandambola euro. Araka ny tarehimarika na­voakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), tafakatra 5 131 Ar ny sandan’ny 1 euro, omaly, raha 5 123 Ar ny 8 aogositra, ary 5 091 Ar ny 1 aogositra. Tsy mihetsika firy, fa manodidina ny 4 438 Ar ny 1 dolara, omaly, raha 4 456 […]

“Voie rapide” Ivato: Azo andehanana ny Rond point Don Bosco hatreny Andranotapahina

Efa azo ampiasain’ny be­sinimaro, nanomboka omaly 11 aogositra, ny ampahan-dalana mirefy 4 km, manomboka eo amin’ny fihodinana (rond point) Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mampifan­dray mivantana ny lalam-pirenena faha-4 sy ny arabe La­lan’ny Frankofonia Ambohitri­manjaka mitohy eny Andoha­ta­penaka ity lalana vaovao ity. Malalaka ny arabe, mirefy 12 metatra […]

Fizahantany : Miara-miasa i Maorisy sy i Madaga­sikara

Noraisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, omaly, teny amin’ny toeram-piasany, ny ambasadaoro vaovaon’i Maorisy, Bruno Cunniah, miasa eto amintsika. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany iombonana ny fihaonana, voafaritra ao anatin’ny faritra ranomasimbe Indianina, ny « iles Vanilles ». Manampy izany, ny […]

Famatsian-drano Antananarivo: Mitotaly 64 000 metatra ny fantsona efa antitra hosoloina

Manohana ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo, ny Banky iraisam-pirenena. Ho soloina ny fantsona efa antitra, hamafisina ny tosiky ny rano, hampitomboina ny lavadrano, hitarina ny famokarana, sns. Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny rano satria tsy nisy fanavaozana tao anatin’ny 50 taona. Mitombo ny isan’ny mponina sy ny mpampiasa rano. Tsy […]