Hitana ny sain’ny mpankafy baolina kitra amin’ity sabotsy ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hiatrika ny lalao faharoa ho azy mantsy ny Barea de Madagascar izay hidona amin’i Tanzanie, mitarika vonjimaika amin’ny filaharana. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Benjamin Mkapa Stadium, anio sabotsy […]
Mois : août 2025
Akademia Malagasy Rugby: Hisy fiofanana arakasa ho an’ireo voafantina
Hanangana ivontoeram-piofanana Akademia Malagasy Rugby, ny Federasionina eto an-toerana. Hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izany tetikasa vaovao izany. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby (MR), omaly, tetsy Ankorondrano, fa efa ao anatin’ny tetikasa amin’ilay fananganana ny Akademia Malagasy ny taranja Rugby ny Federasionina amin’izao fotoana. Tanjona amin’izany ny hisian’ny fiofanana […]
VAOVAO TAMBATRA
Araka ny rafitra mipetraka eo anivon’ny Sadc, ny firenena mandray ny Fitarihana ity fivondronam-be ity no mitarika ireo kaomity rehetra ao aminy. Koa, ho an’ny Kaomitin’ny Fitantanam-bola, izay manatanteraka ny fivoriana anio 08 aogositra, dia ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Ramanampanoharana Andry, no hitarika sy handrindra izany […]
Airtel Africa : Tafakatra 169,4 tapitrisa ny isan’ny mpanjifa
Nivoaka ny tatitry ny orinasa Airtel Africa tao anatin’ny taom-piasana telo volana (avrily, mey, jona 2025) teo. Tsara ny vokatra tamin’ny ankapobeny. Tafakatra 169,4 tapitrisa ny isan’ny mpanjifa, nahitana fitomboana 9%, manerana ny firenena 14 aty Afrika. Nitombo 17,4% ny mpanjifa nisitraka ny tolotry ny Airtel Africa, miisa 75,6 tapitrisa. […]
Solika : Tsy mitsaha-midina ny vidiny iraisam-pirenena
Manodidina ny 65 dolara ny salam-bidin’ny iray barila (1 barila=59 litatra) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, raha ny nivoaka ny alakamisy 7 aogositra 2025 teo. Araka ny fanadihadian’ny mpahay toekarena iraisam-pirenena momba ny solika, inenina nisesy izao fihenam-bidy izao. Mahatonga izany ny fifampidinihana eo amin’i Etazonia sy i Rosia, izay tsy […]




