Tanterahina ao Morondava ny atrikasa handrafetana ny tatitra nasionaly momba ny fampiharan’ny Governemanta malagasy ireo fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny asa izay nankatoavin’i Madagasikara. Miara-mandrafitra izany tatitra izany ny solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy. Tao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana no nampiofanana momba ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina sy fikarakarana karazana mofomamy ary ny […]
Mois : août 2025
Ho an’ny taona 2025-2026: Nohatsaraina ny fomba fiatrehana ny loza
Nampitovy fomba fijery amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ny minisiteran’ny Mponina sy ny BNGRC. Nisy ny fifanakalozana amin’ny fandrindrana ny asa sy ny andraikitra raisina momba ny fiahiana ara-tsosialy manampy amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ho an’ny taona 2025-2026. Tanjona ny hampitomboana ny fiaraha-miasa amin’ireo andrimpanjakana rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka […]
Fitaterana an-tariby : Hisokatra ho an’ny daholobe tsy ho ela
Nitondra fanazavana ny sekreteram-panjakana miadidy ny TanĂ na vaovao fa hanomboka ny 15 aogositra izao ny fisokafan’ny zotra an-tariby mampifandray an’Anosy amin’Ambatobe. Io no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary hitohy ho an’ny daholobe izany manomboka ny 16 aogositra. Ho fanazarana ny mponina amin’ny fampiasana ity zotra ity no hatao ety am-piandohana. […]
Faritra Boeny: Entanina hahaleo tena ara-pivelomana ny vehivavy
Mangetaheta fivoarana ny vehivavy ao amin’ny faritra Boeny. Nitondra fampiofanana ny fanjakana hampiakarana ny lentan’ny fidiram-bola sy hampahaleovan-tena azy ireo ara-pivelomana. Nampiofana ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny faritra Boeny ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, tamin’ity herinandro ity. Maherin’ny 50 ireo fikambanana nisitraka izany fiofanana izany. Tanjona […]
Giovanni Jimalison: Mila sahy miantsehatra mitondra fanovana ny tanora
Fotoana hiseharan’ny tanora amin’ny tontolo politika sy fiarahamonina izao. Nivoitra izany nandritra ny fanehoan-kevitr’i Giovanni Jimalison, maintimolaly ao amin’ny Yali RLC Dakar, nandritra ny resaka natao tao amin’ny e-talk. “Anisan’ny tena imasoan’ny firenena maneran-tany ny fandraisan’ny tanora an-tanana ny firenena sy ny sehatra maro mba hitondra fanovana”, hoy i Giovanni […]




