Hampitomboina ny famokarana rano eto an-dRenivohitra. Hahatratra 64 km ihany koa ny fantson-drano hosoloina, hampakarana ny tanjaky ny tosiky ny rano. Dingana sady fanamby lehibe ny paikady hampitomboana ny famokarana rano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Hahatratra 50 000 m3 ny rano vokarina eny amin’ny toby vaovao hatsangana eny Amoronankona, izay […]
Mois : août 2025
Tenisy : Nandresy an’i Nigeria ny Malagasy
Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Central Tennis Club tao Windhoek Namibia, ny fifaninanana hiadiana ny Billie Jean King Cup, sokajy fahatelo ho an’ny faritra Afrika. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Akomba de Madagascar, nanoloana an’i Nigeria nandritra ny fiadian-toerana fahefatra ka hatramin’ny fahenina. Raha hiverenana […]
Masoivohon’i Algérie : Nitsidika ny filohan’ny Antenimierampirenena
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny masoivohon’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka, Miloud Benmakhlouf, omaly. Nohamafisina, nandritra izany, ny fifandraisana ara-diplaomasia sy ara-pirahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta. Maro ireo fifanarahana mila havaozina mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanofanana arakasa ary ny […]
Filaminam-bahoaka : Nitsidika ilay polisy naratra ny minisitra
Nankahery sy namangy ilay Inspektera naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Tsiroanomandidy, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de Police Rakotoarimanana Herilala, sy ny mpiara-miasa aminy, omaly. Nahazo fitsaboana sahaza azy ireo olona roa tao anatin’ny fiara izay naratra ka anisan’izany, io mpitandro filaminana io. Voatery nakarina aty an-dRenivohitra […]
Fametavetana ankizivavy : Olona roa mpisakaiza tra-tehaky ny polisy
Tsy afa-bela. Saron’ny polisy ireo mpifankatia niketrika ny fametavetana zaza tsy ampy taona, tao Toamasina. Ankizy miisa 10 no notazomin’izy ireo tamin’izany. Tra-tehaky ny polisy tany Ambolomadinika, parisela 21/21 Toamasina, ny herinandro teo, ireo olona roa mpisakaiza, atidoha nikotrika ny fanodinkodinana sy fihazonana an-keriny zaza tsy ampy taona. Voalaza fa […]




