Mois : août 2025

“Alley Hoop Quest”: Ekipa 80 hifaninana eo amin’ny Parvis Analakely

Hotontosaina ny sabotsy 30 sy alahady 31 aogositra izao, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, ny fifaninanana “Alley Hoop Quest”, taranja basikety 3×3. Ekipa 80 no hifaninana. Raikitra ny fifaninanana! Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara. Nahitana ny RDJ, CUA, ny Federasionina […]

Lemak’Antananarivo : Harindra ny fampidiran-drano

Ho fitsinjarana ny rano manondraka ny lemak’An­tana­narivo amin’ny voly vary, naroso ny famohana ny vavarano tamin’ity taom-pambolena ity, izay dinika efa niarahana tamin’ireo tantsaha. Ma­nara-maso ny fitantanana ny rano eto amin’ny lemak’Anta­nanarivo sy ny manodidina ny Apipa. Tsy amin’ny tondradrano ihany izany fa amin’ny fi­tantanana ny rano eny amin’ireo tohodrano […]

Fikambanana Silamo Malagasy : Hanamarika ny faha-51 taona niorenany

Noho ny fitahian’i Allah Soub’hana Wa Ta’Anla, feno 51 taona ny Fikambanana Silamo Malagasy. Hanamarika izany vanim-potoana manan-tantara izany izy ireo ny 2-3 septambra 2025, ao amin’ny Centre de formation eny Maibahoaka Ivato. Noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 namela takaitra maro teo amin’ny fiainan’ny Malagasy dia izao vao atao izany […]

ENS Toamasina : Nosoniavin’ny filohan’ny oniversite ny mari-pahaizana Master

Mpianatra teo anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Toamasina miisa 138 nahavita fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaizana Master. Mention anglais, française, Histo-géo (mpianatra 30); Mention malagasy, mathématiques, In­forma­tique, philosophie miisa 15; Mention physiques chimie, sciences de l’éducation ma­hatratra 60 ary Mention sciences économiques et sociales no mandrafitra ny ENS Toa­masina amin’izao fotoana […]

Minisitra Sahondrarimalala: « Manana fijery lavitra ny filoha »

« Manana fijery lavitra ny filoha Rajoelina Andry ka tsy takatry ny olona sasany », hoy ny minisitra sady birao politi­kan’ny TGV, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Fianaran­tsoa, tamin’ity herinandro ity. No­­tanisainy tamin’izany fa ma­herin’ny 8 000 ny isan’ireo se­koly vitan’ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona. Masina ny fanabeazana […]