Nitsidika ireo mpitondra sy manampahefana ao Nosy Be ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny dinidinika sy fifampizarana tamin’izany. « Efa vita ny fififidianana ka aoka atsahatra ny adilahy politika. Tokony himasoan’ny rehetra ny fampandrosoana ny tanàna », hoy izy. Nampahafantarina tamin’izany ny torolalana iadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna na avy […]
Mois : août 2025
Fanatsarana ny lalàm-pifidianana: Maro ireo mitaky ny hifehezana ny propagandy
Maherin’ny 300 ireo antoko sy fikambanana politika ary fiarahamonim-pirenena na koa ireo mpisehatra amin’ny fifidianana nandefa sosokevitra any amin’ny Ceni. Tafiditra ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana izany. Efa ao anatin’ny fandinihana sy fandravonana izany amin’izao fotoana izao ny eny Alarobia. Nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika, fa miompana any amin’ny hijerena […]
Fitantanam-panjakana: Manana ny toerany amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny ideolojia
Manana ideolojia politika mazava sy iainana avokoa ve ny antoko politika eto Madagasikara amin’ izao? Rafi-kevitra izay mifototra amin’ny rafitra soatoavina ekena ny ideolojia politika, mamaritra ny toe-tsain’ny olombelona sy ny fitondrantena manoloana ny tanjona tiana hampandrosoana ny fiarahamonina. Andrana famakafakana… Amin’ny siansa politika, fitambarana hevitra sy foto-kevitra ary soatoavina […]
TARATRY ny KANTO
Alahady 14 Septambra izao, fampisehoana lehibe ao Antsahamanitra hiarahan’ireo tarika na antoko mpihira evanjelika manana ny maha izy azy avy eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ahitana Ny Koraita Manarintsoa Finoana, Ampifitia, Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Tanora Masina Itaosy ary ny Chorale Trompetran’ny Polisim-pirenena. Rindran-kira tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho […]
Fondation H: Feno ny fandaharam-potoana volana septambra
Iray amin’ireo toerana sy sehatra ahafahan’ny zavakanto mivelatra ny etsy amin’ny Fondation H Ambatomena. Karazan-kanto samihafa no handrafitra ny volana septambra eny an-toerana. Toerana tsy zoviana amin’ny mpanakanto sy ny talentany intsony ny etsy Ambatomena misy ny Fondation H. Amin’io volana septambra hitsidika tsy ho ela io, feno tanteraka ny […]




