Taorian’ny andro voalohany, efa tsy omby ireo olona nisoratra anarana ny fiaramanidina nomanin’ny fanjakana hihazo an’i Kenya. Mbola maro ireo nilahatra, omaly, na dia efa tapitra aza ny fe-potoana. Hitohy anio ny fandraisana ireo mbola maniry handeha. Taorian’ireny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mahakasika ny hitondrana mpijery ho any Kenya, hanohana […]
Mois : août 2025
Southside BJJ: Hahazoana vokatra tsara ny fampianarana ao amin’ny klioba
Klioba anisan’ny misongadina eto Analamanga ny Southside Brazilian Jiu Jitsu Madagascar. Ankoatra ny fifaninanana, mitaiza ny mpikatroka ao aminy hanana fisainana sahy sy mahavita mamaha olana ary hampihatra izany eny ambony tatami ireo mpanazatra. Mametraka ho zava-dehibe ny fifampisintonana miakatra mba ho samy ho tafita. Mahay mampiasa araka ny tokony […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 13 sy 14 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja karate. Mpikatroka manodidina ny 350 no handray anjara amin’izany, ahitana ireo klioba rehetra manerana an’Analamanga. Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fifaninanana «Xtreme Combat» karakarain’ny klioban’ny Lion Force, taranja kick […]
Karting – 3è Grand Prix Mada : Fifaninanana hafainganam-pandeha
Hotanterahina ny alahady 31 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Circuit international de karting Imerintsiatosika ny andiany fahatelo amin’ny «Grand Prix», fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana hafainganam-pandeha amin’ny Rotax, karakarain’ny klioba Serana Racing Kart, no hatao amin’izany. Misokatra ho an’ireo Malagasy mpanamory rehetra manana kara-pilalaovana Karting Fédération sport automobile […]
Tenisy ambony latabatra : Mbola lesoka ny lafiny fotodrafitrasa
Notanterahina nanomboka afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasionina malagasy, izay misahana ny taranja eto an-toerana, fa mbola lesoka amin’ny fifaninanana nasionaly tahaka izao ny resaka fotodrafitrasa. Nambarany […]




