Mois : août 2025

Tsipy kanetibe – “Masters 2025” : Novaina ny firafitry ny ekipa malagasy

Hotanterahina anio, ao Palvas-les-Flots France, ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Anisan’ireo ekipa miatrika izany ny Malagasy. Hiova kely indray amin’ity ny firafitry ny ekipam-pirenena. Hijoro voalohany i Tianakely sy i Yves ary i Zigle. Nasain’ny mpanazatra maka aina indray izany i Balôty, taorian’ny tsy […]

Lalaon’ny CJSOI : Nahazo volamena 2, volafotsy 4 ary alimo 6 indray i Madagasikara

Mitohy ihany ny famirampiratan’ireo Malagasy atleta! Nandrombaka medaly 12, volamena 2, volafotsy 4, alimo 6 indray izy ireo, omaly. Notontosaina omaly, ny andro fahefatry ny La­laon’ny Kaomisionan’ny tanora sy ny fanatanjahantena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), izay tanterahina any Seychelles. Na­hazo medaly 12 vaovao in­dray i Madagasikara, ka volamena 2, […]

Toamasina : Notokanana ny kaomi­saria Ambodimanga

Notokanana ny 31 jolay 2025 lasa teo, ny Kaomisaria Bori­borintany voalohany Ambodimanga, ao Toamasina. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny ins­pecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, notro­nin’ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny MSP foibe sy ny Talem-paritra maromaro tonga any an-toerana. Nanome voninahitra ity fotoana ity ny […]

Ampanjaka Toera: Homem-boninahitra ny kabesony

Hotanterahina eo amin’ny torapasika Nosikely Moron­dava, ny 8 hatramin’ny 17 aogositra 2025, ny hetsika « Ndao hangala morimoritsy ». Natao hanomezam-boninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera ary hanamafisana sy hampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fizahantany ao amin’ny faritra Menabe izy ity. Hisy ny lalao nentim-paharazana sy fanao ao an-toerana, toy ny kibara sy […]