Mois : août 2025

Nisy namono : Tovolahy iray hita faty tao anaty rano

Tovolahy iray 26 taona no hita faty teny amin’ny reniranon’Andrianambo, fokontany Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitr’Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly. Ahina ho nisy namono izy, raha ny tombantombana nataon’ny fianakaviany… Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny antony nahafaty azy fa ahina ho nisy namono, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Efa fanaony ny mody somary […]

Mitoetra ny lazany…: « Tena kanto » ny sehon’i Poopy

Araka ny anarany… Tsy do­­kambarotra fotsiny ilay «Tena kanto», fa fanamby tanteraka mihitsy. Nahita izay nandrasany ireo mpankafy an’i Poopy, nameno ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masi­na, omaly. Ilay Poopy araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, niampy ny fahamatorana an-tsehatra efa nananany rahateo, ka nahalafatra ny fampisehoana. Feon-kira hain’ny rehetra no nampiditra […]

TARATRY ny KANTO

« Jazz @ Tohatohabato » – Hitohy anio ny « masterclass ». Nahita fofompofony amin’ny fampisehoana lehibe izay hatao amin’ny alahady ireo mpankafy nijery ny sehokely tetsy amin’ny CGM, omaly. Miaraka amin’ilay mpitendry piano, Valentin Edelmann indray ny atrikasa anio, amin’ny 2 ora. Ilay mpitsoka trompetra Jordi Roviro kosa no mitarika ny rahampitso amin’ny […]

« Our Generation 2025 »: Ho any Russie i Michella, Brenda ary Riantsoa

Miandrandra fandresena hatrany. Fantatra omaly ireo nibata fandresena tamin’ilay fifaninanana «Our Genera­tion», nifantenana izay ho solontenan’i Madagasikara. Voalohany i Michella, Faharoa i Brenda ary fahatelo i Riantsoa. Raha toa ka solontena iray fotsiny no nihazo an’i Russie tamin’ny taon-dasa, hiaraka kosa izy telo mirahavavy ireto amin’ity. Tsy vitan’izay fa hanaraka […]

« Tafan-gilita » – Prime 3 : Efa samy henjana amin’ny tendry gitara ireo mpifaninana

Hanomana fiaraha-mitendry, ka hiaraka tsiroaroa indray ireo mpifaninana. Hiova kely ny endriky ny « Prime 4 », ary hiroso amin’ny fanohanana ireo mpifaninana ihany koa izy efa-dahy mpitsara. Henjana ny fifaninanana! Manan-talenta daholo ireo mpifaninana 25 nandray anjara tamin’ny « Pri­me 3 », tamin’ny fifaninanana « Tafan-gilita », izay notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Kianja […]