Naharitra herinandro ny fiarahan’ny miaramila mpiasan’ny fahasalamana, Malagasy, nifanakalo traikefa tamin’ny U.S Africa Command (Africom). Nifantohan’ny atrikasa ny momba ny areti-mifindra sy ny fahasalamam-bahoaka. Nidinika mahakasika ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana, ny fomba fifehezana ny areti-mifindra, ny fanaovana fitiliana ao anatin’ny fotoana fohy ary ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra […]
Mois : août 2025
Faritra Matsiatra Ambony: Nahazo birao vaovao ny kaominina Andranovorivato
Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny birao vaovaon’ny kaominina ao Andranovorivato, distrikan’i Matsiatra Ambony. Misokatra ho an’ireo mponina manodidina ny 39 000 isa ao an-toerana ny fotodrafitrasa izay fampanantenana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika. Nanolotra fanaka ho an’ny fotodrafitrasa vaovao ny minisitry ny Mponina hahafahana miasa avy hatrany. Tetsy ankilany, tokantrano […]
Fifamoivoizana Andramasina: Harenin’ny mpitatitra ireo lalana tena ratsy
Maneho firaisankina, mifarimbona ny mpitatitra mampiasa ny zotra mampitohy an’Antananarivo amin’Ambatofotsy hatrany Andramasina iny manamboatra ny lalana hivezivezen’ny fiara. Nanao fanentanana ireo mpitatitra ao amin’ireo kaoperativa mitrandraka iny zotra iny ny filohan’ny kaoperativa, Ravonjinarivo Thomas Richard, mba hahatanteraka ny asa fanamboaran-dalana. Tsipaipaikan’ny mpitatitra, araka izany, no hanaovana ny asa. Izay […]
Rallye vacances : Nasiam-panamboarana ny «Epreuves spéciales»
Hotanterahina any Mahajanga, ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao, ny «Rallye vacances”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana karakarain’ny klioba Gojang. Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny tomponandraikitry ny klioba tetsy Soarano, ny sabotsy lasa teo, no nahalalana fa misy zava-baovao nentina […]
“ASIEF 2025” : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Mahajanga
“Fanatanjahantena ao anatin’ny fitoviana sy ny firaisankina” no lohahevitra ho an’ny fifaninanam-pirenena Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief) taona 2025. Fifaninanana tontosaina ao Mahajanga, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 1 aogositra lasa teo, teny amin’ny “Village Touristique” Mahajanga. Diabe niainga teny amin’ny Barea no nanombohana ny […]




