Mois : août 2025

Hain-trano : Tokantrano 26 may kilan’ny afo tetsy Anosibe

Tokantrano 26 may kilan’ny afo tetsy Anosibe Man­dran­gobato I, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. 12 ireo tranohazo ary fito ny tranobiriky lasibatry ny afo. Mahatratra 90 ireo olona niharam-boina. Niainga tao amin’ny tranohazo iray ny afo. “Nandeha nivoaka tany ivelan’ny trano avokoa ny olon-drehetra tamin’ny fotoana nandresen’ny ekipa Barea afakomaly […]

Lehilahy iray novonoina vehivavy : Hita faty tetsy Anosibe

Lehilahy iray manodidina ny 37 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, anelanelan’ny Lalamby Anosibe sy ny hopitaly HJRA, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Novonoin’ny vehivavy anankiroa izay mipetraka amin’ny trano baoritra eo amin’ny lalamby izy io sy ny vadiny, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. “Tonga tety an-toerana […]

Mpilatsaka an’elonaina tra-doza : zandary roa sy tafika iray namoy ny ainy

Manamboninahitra eo anivon’ny zandarimaria miisa roa sy tafika iray niara-namoy ny ainy taorian’ny loza nahazo azy ireo nandritra ny filatsahana an’elonaina tao Arivonimamo, omaly. Manaraka fitsaboana ireo namany. Kaomandà Zafidahy avy eo anivon’ny “Groupe­ment des forces spécialisées d’intervention (GFSI)”, ny lietnà Njakarababany Jeodard, avy eo anivon’ny “Centre de formation spécialisée” […]