Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), manoloana ny filazana fa misy mandrahona ny mpanao gazety Gaëlle Borgia. Nohazavainy, fa tsy mpiasa velively ao amin’ny MEF i Rajaonarivelo Philippe amin’io fotoana anoratany ny fandrahonana io. Koa, tsy tomponandraikitra amin’ny teny na fihetsiny ny MEF. Mitohy ny fampiofanana mahakasika […]
Mois : août 2025
Vidim-bary: Tsy mbola nahitana fiakarana
Nilaza ny mpivarotra iray eny Ankadifotsy, ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mbola misy ny fiakaran’ny vidim-bary hatreto. Mijanona ho 1000 Ar ny kapoaka, 3 500 Ar ny kilao, ho an’ny vary makalioka sy ny dista ary ny vary mena raha toa ka 175000 Ar ny iray gony. 900 Ar kosa […]
Ticad-9: Matotra ny fiaraha-miasa amin’i Japana
Nandray fitenenana ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ ny fivoriana mahakasika ny toekarena Ticad andiany faha-9, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Navoitrany fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny sehatra marolafy eo amin’i Madagasikara sy i Japana. Anisan’izany, ny fampivoarana ny indostria, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany sy ny […]
Arabe migodana: Hamatsy vola 60 tapitrisa dolara ny Abou Dhabi Funds
Laharam-pahamehana tokoa ny famatsiam-bola amin’ny fanamboaran-dalana. Anisan’izany ny arabe migodana vaovao sy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN5. Noraisin’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, ny talata 19 aogositra teo, ny delegasionina avy amin’ny Tahirimbola Abou Dhabi ho an’ny fampandrosoana (ADFD). Noresahina ny tohiny sy […]
Antananarivo : 38 618 ireo nahazo ny diplaoma bakalorea
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny foibem-panadinana ny valin’ny fanadinana bakalorea ho an’ny faritanin’Antananarivo. Afaka nojerena tamin’ny alalan’ny finday koa izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasam-pifandraisana telo. 47,49% ny taham-pahafahana ka 38 618 ireo nahazo ny diplaoma bakalorea hirosoana amin’ny fampianarana ambony. Manerana ny Nosy, 112 794 ireo mpiadina afaka […]




