Mois : août 2025

«Raharaha Boeing 777»: Am-polony no voasaringotra, mitohy ny famotoran’ny FBI

Efa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ireo avy amin’ny FBI amerikanina, araka ny fangatahan’ny fitondram-panjakana manoloana ny “Raharaha Boeing 777”, miisa 5 nahazo ny mari-pa­mantarana avy eto Madaga­sikara, tonga any Iran. Miisa telo mianadahy izy ireo ka ahitana vehivavy miisa roa sy lehilahy iray. Efa anatin’ny fanadihadiana rehetra, mom­ba ity […]

« Yas et moi » : Tolotra amin’ny alalan’ny teny

Voalohany eto Mada­gasikara sy Afrika! Zava-baovao tanteraka ny tolotra vaovao amin’ny sehatry ny fividianan-javatra amin’ny alalan’ny finday vokarin’ny orinasa Yas. Nivoaka ny « Yas et moi », ampiasaina amin’ny fividianan-javatra na koa karazana tolotra ao anaty finday na filana samihafa, toy ny fihainoana hira, fividianana finday, fanjifana ireo tolotry ny Yas, sns. […]

Tontolo iainana: Faritra arovana 52 hafindra fitantanana

Dingana vaovao! Vita sonia, omaly 19 aogositra, ny famindram-pitantanana ny faritra arovana (AP) miisa 52. Fito taona no niandrasana azy. Nentina anavaozana ny fitantanana ara-tontolo iainana, araka ny lalàna faha-2015-005 io. Taratry ny fahavononana noraisin’i Madagasikara ihany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny kongresy maneran-tany mahakasika ny valanjavaboahary tany […]

Soatiko farm : Hanangana fikambanana ny mpamboly holatra

Seha-pihariana manomboka miroborobo ny fambolena holatra eto amintsika. Vitsy mpahafantatra, na tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fanjifan’ny Malagasy, anefa ny vokatra Mikasa ny hanangana vondron’ny mpamboly holatra, amin’ity fa­ram­paran’ny volana aogositra ity, ny Soatiko Farm eny Sabotsy Namehana. Nam­baran’ny tomponandraikitra ao aminy fa vonona hiditra ao anatin’ity vondrona ity daholo […]